500 eo ho eo ireo Ben’ny tanŕna niatrika ny fivoariamben’izy ireo voalohany araka ny tatitra voaray tamin’ny mpikarakara. Raha atao izany ny kajikaky dia ny 1/3-n’ny Ben’ny tanŕna miisa 1546 manerana ny Nosy no tonga eto an-drenivohitra.
Maro an’isa indrindra ny faritra Atsimo Atsinanana izay manana solontena 76 amin’ny 91. Anisan’ny manana delagasiona mafonja koa ny faritra Vatovavy Fitovinany raha vitsy dia vitsy kosa ny solontena avy any Androy sy Anosy ary i DIANA sy SAVA. Na dia saro-dalana aza ny faritra Melaky dia manana solontena am-polony koa izy ireo. Nihanjahanja kosa ny seza natokana ho an’ireo Ben’ny tanànan’Analamanga satria 5 monja izy ireo no niatrika ilay fihaonana omaly. Maro moa ireo nijoro vavolombelona tamin’ny teritery nahazo azy ireo. Anisan’izany i Eugène Grégoire, Ben’ny tanànan’i Vohipaho distrika Vangaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana fa namorona fivoriana maika tampoka ny lehiben’ny faritra raha vao nahare fa hanainga ny Ben’ny tanàna. Tsy nahasakana azy ireo tamin’ny fanapahan-keviny anefa izany raha ny nambarany ihany. “Ny lehiben’ny distrika koa etsy andaniny dia manery tsotra izao mba handraisanay anjara amin’ny fampandaniana ny volavolan-dalàmpanorenana”, hoy izy. Ny an’ny sasany indray dia ny famaranana ny lisi-pifidianana izay tokony ho vita omaly no antony nitazonana ireo Ben’ny tanàna.
Na eo aza anefa izany toe-javatra izany dia matoky ireo mpizaika fa mbola ho maro kokoa ireo mpivory amin’ity anio ity satria raha ny nambaran’ireo filohan’ny Ben’ny tanàna isam-paritra dia maro ireo efa andalana nanainga omaly fa ao koa anefa no nampanantsoina eny amin’ny ministeran’ny fanajiarana ny tany. Anisan’izany ireo Ben’ny tanàna avy any Amoron’i Mania. “10 eo ho eo izahay no eto amin’ity efitrano ity izao fa misy namanay sasany nampanantsoin’ny lehiben’ny faritra any amin’ny ministera any izao”, hoy Randriamampionona Adolphe, filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna any Amoron’i Mania. Nanamafy moa ny tenany fa tsy hisy mihitsy fampandrosoana raha tsy tafapetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy izay manome lanja ny ny Kaominina. “Araka izany dia miandrandra aho aorian’ity fihaonana ity mba tsy hisy intsony izany Ben’ny tanàna voavidy vola izany na koa mihemotra manoloana ny fandrahonana”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.