Politique

Fihaonamben’ny Ben’ny Tanŕna Hanery ny fanjakana hiverin-dalana


  • Alarobia 06 Oktobra 2010

Roso ny dia ka tsy mipody koa, hoy ny Komity mpanomana ny fihaonamben’ireo Ben’ny tanŕna izay tontosaina etsy amin’ny Espace Salohy ny 13, 14 ary ny 15 oktobra izao.

Tsy maintsy tontosa io fivoriana io araka ny nambaran’izy ireo na dia eo aza ireo teritery ataon’ireo mpitondra ary hanomboka anio rahateo ny fandefasana ny fanasana ho an’ireo Ben’ny tanàna miisa 1522 manerana ny nosy. “Tombontsoa iraisana io ka na dia samy mianto-tena aza mandritra ny dia sy ny fivoriana dia hiakatra eto avokoa ireo Ben’ny tanàna rehetra”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime, filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Analamanga. Mandritra io hateloana io no hananganana ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna, handinihana ny toeran’ny fitsinjaram-pahefana araka ny volavolan-dalàmpanorenana ary ny fifidianana Ben’ny tanàna.

Resaky ny samy olomboafidy ifotony io ka tsy hisy fanasana mpanao politika na koa tomponandraiki-panjakana. Mandritra ity fivoriana ity no hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny hevitra tapaka isam-paritra dia ny fanoherana ny fametraham-pialana ho an’ireo izay mihevitra ny hirotsaka amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra 2010 sy ny fangatahana fampiharana ny volavolan-dalam-pifidianana tamin’ny 2007 izay mametraka fa ny andro mialoha ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra no miala amin’ny asany ny Ben’ny tanàna am-perinasa. Nanterin’ny komity hatrany fa tsy azo ekena ny fametrahana PDS sao sanatria misy fitaka ao ambadikany. Maro rahateo ho izy ireo ny volavolan-dalàna mampisalasala navoakan’ny FAT. Ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato kosa dia nanamafy fa amin’io ihany koa no hanomanana ireo paika rehetra hanerena ny fanjakana hanaiky ny hevitry ny maro ary azo heverina ihany koa, hoy izy ny handinihana sahady ny hitondrana ny raharaha eny anivon’ny filankevi-panjakana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT