Araka ny nolazainy hatrany dia tsy mihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny komity mpanomana ny fihaonamben’ny Ben’ny tanàna izay hanomboka anio etsy amin’ny Espace Salohy Iavoloha Atsimondrano na dia misy aza ny fanatsatsoana ataon’ny mpikamban’ny AMRA (Fikambanan’ny Ben’ny tanàna Faritra Analamanga) sasany sy ny ramatahora ataon’ireo lehiben’ny distrika sy lehiben’ny faritra ary tomponandraikitra avy amin’ny ministera sasantsasany ireo mpivory. Ankoatra ny fandinihana ny satan’ny Ben’ny tanàna sy ilay didy hitsivolana 2010-009 dia hanamarika ny andro voalohany anio ny fifidianana izay ho filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna isam-paritra ho an’ireo izay tsy manana izay arahan’ny fifidianana ny birao nasionaly. Hatolotra holaniana mandritra io fotoana io koa ny drafitrasa hananganana ny birao maharitra izay hiasa avy hatrany rehefa tafapetraka amin’ny toerana ireo Ben’ny tanàna vaovao aorian’ny fifidianana araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato sady filohan’ny AMRA, Ralaiseheno Guy Maxime.
Nasian’ity farany teny koa ny fandravana ny AMRA izay nataon’ireo Ben’ny tanàna sasantsasany nampian’ireo filoha lefitra. Aminy dia tsy manankery ny zavatra tinapak’izy ireo satria tsy manara-dalàna. Sady tsy nahatratra ny fetr’isa mantsy, hoy izy ireo nivory no tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana koa no nanaovana ny fifidianana raha vato miafina no voafaritry ny sata. Ankoatra izay dia ny filohan’ny AMRA ihany koa no afaka mampiantso fivoriambe araka ny fanazavany ihany. Nahitsy moa ny teniny amin’ireo Ben’ny tanàna namany ireo, ka nilazany fa : “olona tsy mijoro amin’ny heviny fa mivadibadika manara-drenirano amin’izay antoko mitondra izy ireo. Ny toe-tsaina toy izany mihitsy anefa no ezahana ovaina tamin’ny fitakiana ny fanovana”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.