Politique

Fihaonambem-pirenena Vao niandoha dia notsenain’ny delestazy


  • Talata 14 Septambra 2010

Fa inona marina no tena mitranga ao amin’ny Jirama ? Io no fanontaniana nampimonomonona ny rehetra niatrika ny lanonam-panokafana ny fihaonambem-pirenena karakarain’ny Raiamandreny Mijoro teny Ivato omaly maraina, satria dia in-telo tapaka ny herinaratra ka nampiato ny fivoriana, tao anatin’ny kabarin’ny mpitandrina Ramino Paul, sy nandritra ny kabary fandaminana.

Matetika, arak’izany, no tao anatin’ny haizimpito ny mpizaika, ary tapaka tanteraka ihany koa ny fampitana mivantana ny lanonana nataon’ny haino amanjerim-panjakana. Maro tamin’ireo olona tonga teny Ivato, arak’izany, no sosotra ihany, satria araka ny nambaran’izy ireo dia efa mba ela ihany no fantatra fa hotanterahana eny amin’ny CCI Ivato ny fihaonambem-pirenena, ary naverimberina isaky ny 30 minitra tamin’ireo haino amanjerim-panjakana sy tsy miankina ny dokambarotra momba izany, koa nahoana no tsy efa niomana ny tao amin’ny Jirama, mba hialana amin’ny sampona mitranga tahaka izao. Dia teo no niainga amin’izay ny adihevitra teny an-tsisiny fa hoe efa tsy hahomby izy ity, aiza ve ka vao miandoha dia tsenain’ny delestazy. Ny sasany indray milaza fa mety tsy olana ara-teknika intsony angamba ity fahatapahan’ny herinaratra ity fa mety sabôtazy mihitsy.

Efa am-bolana maro mantsy no nandeha ny resaka fa misy manao fanahy niniana manapaka ny herinaratra mihitsy ao amin’ny Jirama ao, ka Antananarivo sy Toamasina no tena voakasik’izany. Hatreto anefa, dia tsy mbola nisy ny fanadihadiana matotra natao, ka nanambaran’ny tompon’andraikitra teo amin’ny Jirama ny tena marina amin’ity fahatapahan’ny herinaratra matetika ity. Tsy ny eny amin’ny faritr’Ivato ihany akory no iharan’izany fa any amin’ny toerana maro eto Antananarivo, ary tsy vitsy ireo mpanjifa sorena ihany ny alahady lasa teo fa tsy latsaky ny im-polo ny fahatapatapahan’ny herinaratra ny tapany maraina, maharitra 1 ka hatramin’ny 5 minitra io fahatapahana io. Tsy hita akory anefa hoe misy fanamboarana ataon’ny Jirama, na nisy andrin-jiro nianjera, na tariby tapaka. Tsy hoe nisy oram-baratra ihany koa ka hampilatsaka ny «disjoncteur» amin’ireny tranon-jiro ireny. Koa raha izany rehetra izany no zohina dia tena delestazy izany ilay izy, ary tsy hoe any amin’ireo faritra namoahan’ny Jirama fampilazana ihany fa saika amin’ny faitra rehetra eto Antananarivo. Fa ny ambaran’ny maro kosa fa tsy mety dia ny fanapahana ny herinaratra eny Ivato satria mbola haharitra dimy andro be izao ny fivoriana, ka tena mety hahasorena ny mpizaika sy hanapaka ny «feeling»-n’izy ireo izany fahatapahana izany raha mateti-pitranga.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT