Nihemotra ho amin’ny 14, 15 ary ny 16 septambra izao ny fihaonambem-pirenena izay karakarain’ny CNOSC. Manatontosa famelabelaran-kevitra arahana adihevitra momba ity fotoan-dehibe amin’ny fiainam-pirenena ity mandritra ny roa andro nanomboka omaly eny amin’ny Amphi DEGS Ankatso ny fikambanana FES sy ireo tanora ao amin’ny YLTP.
Tanjona ny fampahafantarana ny tanora mpianatra ny antony anatontosana ny fihaonambem-pirenena sy izay andrasana amin’izany. Raha ny zava-misy tokoa mantsy, araka ny fanadihadiana nataon’ny FES dia tsy mahatsiaro tena voakasiky ny krizy politika sy ny adihevitra rehetra aterak’izany ny ankamaroan’ny tanora Malagasy. «Ho avy koa izao ny fihaonambem-pirenena saingy tsy miraika amin’izany loatra ny tanora satria tsy ampahafantarina azy ny antony na koa izy ireo mihitsy no tsy liana. Rehefa fantany tsara anefa ireo lohahevitra sy ny zavatra atao dia lasa tompon’andraikitra ka sahy miady hevitra sy hijoro amin’ny heviny izy manoloana ny raharaham-pirenena», hoy Raveloson Jean Aimé avy ao amin’ny FES. Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara raha tarafina amin’ny zava-misy nandritra ny andro voalohany omaly izay namelabelarana sy niadian-kevitra momba ny lohahevitra «focus sur la conférence nationale» satria feno tanora mpianatra ny efitrano ary maro ihany koa no nandray anjara fitenenana.
Vahiny maro moa no nasaina hanafana ny adihevitra ka anisan’izany ny ministry ny serasera teo aloha sady mpikambana ao amin’ny antoko Leader Fanilo, Nathalie Rabe, ny filoha lefitry ny oniversiten’Antananarivo sady mpahay lalàna, Rakotoarisoa Eric ary mpisolovava maorisiana iray. Raha ny fanazavana dia noho ny fananan’ireto farany traikefa momba ny politika sy ny fiainam-pirahamonina no niantsoana azy ireo. Noresahan’ireto mpandahateny nandritra izany ny paikady hahamatihanina ny fanatontosana ny fihaonambem-pirenena sy ny fampahafantarana ireo mpanatrika ny tantara sy ny zava-dehibe nandrafitra ireo fikaonandoha isan-karazany nandravonana ireo krizy politika efa niainan’ny firenena. Karazana tari-dalana ihany ity tontosaina eny Ankatso ity ho an’ny FES, araka ny nambaran-dRaveloson izay mino fa hisy fikambanana na vondrona hafa hanatontosa hetsika toy izao ho an’ny sarambabem-bahoaka mba tsy hahatompon-trano mihono azy ireo manoloana ny raharaham-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.