Politique

Fihaonambem-pirenena Soso-kevitra avy aiza no hodinihana ao ?


  • Alatsinainy 06 Septambra 2010

Araka ireo fifanarahana politika teny Ivato sy natao farany teo teny Vontovorona dia ny alatsinainy 13 septambra ho avy izao, izany hoe afaka herinandro katroka no hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena, handravonana ireo soso-kevitra isan-karazany ho amin’ny fametrahana ny Repoblika faha-4.

Araka ny tombantombana dia manodidina ny 2000 eo ho eo ny mpandray anjara amin’izany. Hatramin’izao aloha dia dimy andro no mety ho faharetan’ny fihaonambem-pirenena, raha ny lamina napetraka hatrizay no arahana. Anisan’ny hifanakalozana sy hiadian-kevitra mandritra izany ny momba ny lalàmpanorenana, ka mandritra io fotoana io no hampahafantatra ireo hevi-dehibe nisongadina tamin’ireo tolo-kevitra rehetra voarainy ny Komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana na CCC. Tsy maintsy horesahana mandritra ity fihaonambe ity ihany koa ny mikasika ny famotsoran-keloka, ny fampihavanam-pirenena, ary ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny antoko politika. Efa nisy ny Dinika Santatra, teo ihany koa ireo fihaonana teo amin’ny ankolafy politika maro samihafa, saingy nijanona ho fakan-kevitra ihany ireny, fa mandritra ny fihaonambem-pirenena vao tena hisy ny fanapahan-kevitra, na ny famoahana izay hevitra eken’ny maro an’isa.

Ka ny tena andrasan’ny maro fatratra dia izay mety ho endriky ny volavolan-dalàmpanorenana, atolotra ny hisafidianan’ny vahoaka amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Na dia efa mipetraka aza anefa ny fandaharam-potoana, dia maro ihany no sahiran-tsaina ny amin’ny tena ho fizotry ny dinika, satria hita sy tsapa fa mbola maro ireo hevitra mifanipaka, na eo amin’ny samy fiarahamonim-pirenena io, na eo amin’ny antoko sy firehana politika. Mbola tsy fantatra mazava ihany koa hoe : ny tolo-kevitra avy aiza marina no hodinihana mandritra ny fihaonambem-pirenena ? Ny avy amin’ireo fihaonambem-paritra nokarakarain’ny CSR-AN sy ny Teny Ifampierana tamin’ny herintaona ve, sa ny avy amin’ny Dinika Santatra, sa ireo hevitry ny mpanao politika nivory teny Ivato sy Ambohidahy ary Vontovorona ? Etsy ankilan’izany dia mbola misy ireo mieritreritra ny hanao fihaonana, hafa indray ho fanangonan-kevitra, mialoha ny fihaonambem-pirenena. Midika izany fa tena mbola sarotra ny fanohizana ny fikaroham-bahaolana amin’ny krizy, ary samy mandrirotra amin’izay itiavany azy ny raharaha ireo fikambanana sy antoko politika, ary manana ny fomba fijeriny ihany koa ny fiarahamonim-pirenena. Manampy trotraka izany ny tsy mbola mampazava ny fomba hitantanana ny tetezamita, noho ny ady seza eo amin’ny antoko sy ankolafy tsirairay avy, ary ny sangodim-panina ataon’ireo mpanao politika. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT