Politique

Fihaonambem-pirenena Ny 14 ka hatramin’ny 17 jona indray ny tetiandro vaovao


  • Alatsinainy 31 Mey 2010

Nandritra ny roa andro, ny 28 sy 29 mey teo no nihaona teny amin’ny Panorama ny Vondron’olom-pirenena manomana ny fihaonambem-pirenena.

Ialana amin’ny ahiahy araka ny fanazavana azo, dia ity Vondron’olom-pirenena ity no hanomana sy hikarakara ny fihaonambem-pirenena mba hikaroham-bahaolana ivoahana amin’izao krizy izao. Hiahy io fikaonandoha hotanterahina io ireo olobe ahitana ireo Mpanjaka sy Tangalamena ary ireo tompon’andraikitra teto amin’ny firenena tany aloha tany.

Mbola fandraisana ireo tolo-kevitra sy famolavolana izay tokony hatao sy fomba hikarakarana ny fihaonana no natao nandritra io roa andro io. Olona miisa 157 no nandray anjara tamin’izany fivoriana fanomanana izany. Antoko politika 26, fikambanana tsotra 37 ary fikambanana ara-toekarena roa no nahatonga solontena tamin’izany.
Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy hariva lasa teo teny amin’ny Panorama ity Vondrona ity, ka tamin’izany no nampahafantarana ireo olobe sy ireo tapaka nandritra ny fihaonana fanomanana. Tapaka nandritra ny fihaonana fa ny 14 ka hatramin’ny 17 jona no hotanterahina ny fihaonambem-pirenena. Manomboka anio Alatsinainy, dia misy ny fandraisana ireo soso-kevitra rehetra tokony hodinihina. Ny 7 ka hatramin’ny 10 jona, dia hisy ny dinika santatra hotanterahina any amin’ireo renivohi-paritany enina teo aloha, ka hiparitaka manerana ireo toerana ireo ny avy ao amin’ny komity mpanomana.
Tsy misakana izay dinika hafa tokony hatao ity fihaonambem-pirenena hokarakaraina ity, satria vahaolana no katsahina. Tsara ny manamarika fa horaisina ireo hevitra tsara nandritra ireny fikaonandoham-paritra natao ireny.
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT