Politique

Fihaonambem-pirenena Mitsoapahana sahady ny mpizaika


  • Alarobia 15 Septambra 2010

Na tamin’ny lanonam-panokafana, na tamin’ny andro faharoa, omaly dia mbola nisy hatrany ny savorovoro vokatry ny fandaminana tsy matotra amin’ny fihaonambem-pirenena.

Hita ho nitombina ny ahiahin’ny maro ny amin’ny hoe : tena antomotra loatra ilay daty ary nikoropahana ny fanomanana sy ny fikarakarana, hany ka na hatramin’ny mpitarika ny asam-baomiera sasany aza dia hita fa tsy mahafehy ny andraikiny mihitsy ka nampikorontana ny dinika. Araka ny tsiliantsofina re dia efa nisy tamin’ireo mpizaika sahady no tezitra ka nanapa-kevitra ny tsy hanatrika ny fihaonambe intsony, nanomboka omaly. Nanakiana mafy ny CNOSC tamin’ny fikarakarany ilay fihaonana teny Vontovorona ny mpomba ny FAT, niaraha-nahita anefa fa tsy matotra lavitra noho ny teny Vontovorona ity fihaonambe eny Ivato ity, izay novatsian’ny fitondrana tetezamita vola, ary hita mibaribary fa nokarakarain’ireo olona akaiky azy.

Manoloana ireo ady seza sy fandrombahana sakafo hita teny Ivato dia hoy indrindra ny raim-pianakaviana iray : «Tena mampahonena raha olona tahaka ireny no handinika sy handrafitra ny lalàmpanorenana sy ireo fepetra rehetra hananganana ny Repoblika vaovao. Be fanakianana ny Afrikanina isika, kanefa dia fihetsika tahaka ireny ve no atao mandritra ny fivoriana goavana tahaka ireny ? Niadiavana ny rano, nifandrombahana ny sakafo, samy mibata ny sezany, ny adivarotra amin’ilay vola raisina isan’andro amin’izany manginy fotsiny. Izaho manokana aloha dia tsy resy lahatra mihitsy fa zavatra matotra sy tena hamaha ny olan’ny firenena no hivoaka eny Ivato, satria ny ankamaroan’ireo mpizaika dia tsy mieritreritra afa tsy ny tenany, amin’ireny fihetsika nasehon’izy ireo ireny, ary tsy dia mivaky loha loatra amin’izany hoavin’ny firenena izany». Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety momba ny tsy fahatomombanana moa ny mpikarakara ny fihaonambem-pirenena dia nilaza fa efa nisy tokoa ny lisitra tany am-boalohany, saingy nitombo ireo olona te hanatrika ny fivoriana, ka izay no anton’ny nitohizan’ny fizarana «badge» hatreny Ivato.

Dia hita fa mbola manamarina ny resabe hatrizay ihany izany, satria sady tsy hentitra amin’ny fanapahan-keviny no tsy manana ny fahaiza-manao sy fahaiza-mitantana ny mpitondra amin’izao, ary dedaka amin’ny isa fotsiny fa tsy mba hentitra amin’ny hatsara na ny kalitaon’ny zavatra atao. Ho an’ny mpanara-baovao politika iray dia tsotra ny fahitany ireny tranga ireny : «tena enjik’isa fa tsy misy kalitao ny zavatra  maha dodona sy mahamaika ny mpitondra amin’izao fotoana. Variana amin’ny endrika ivelany fa tsy mandinika lalina ny zavatra ataony. F’angaha raha hoe nitombo avo roa heny tamin’ny noeritreretina ny mpandray anjara dia midika izany fa matotra ny zavatra dinihana ao ary tena voasolo tena marina ireo ankolafy politika rehetra sy ny Malagasy 20 tapitrisa ». Manomboka mitombo isa ihany amin’izao fotoana ireo olona tsy matoky ny zavatra hivoaka aorian’ity fihaonambem-pirenena ity noho ireo tsy fahatomombanana maro samihafa ireo ; tsy hahafahana miady hevitra sy mamoaka fonjan-kevitra matotra tokoa mantsy ny fisian’ny savorovoro, satria tsy mampifantoka ny mpivory. Ho an’ireo be vazivazy dia nanao sarisarin-teny hoe : «tokony ho tao anatin’ny trano fivoriana, fa tsy tety ivelany no nametrahana ireo mpitandro ny filaminana…».

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT