Politique

Fihaonambem-pirenena Misavoritaka ny mpizaika avy any amin’ny Distrika


  • Zoma 10 Septambra 2010

Mihitsoka ao Amboasary Atsimo ny mpizaika solontenan’ny distrikan’i Tolagnaro sy Amboasary Atsimo, ao amin’ny Faritra Anosy, hihazo an’Antananarivo handray anjara amin’ny Fihaonambem-pirenena karakarain’ny Raiamandreny Mijoro manomboka ny 13 septambra ho avy io.

Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, dia misy delegasiona mpizaika 12 avy any Ambovombe (Androy) tonga ihany koa ao Amboasary Atsimo, hiaraka amin’izy ireo, nefa raha ny fandaminana dia misy lalovana isaky ny distrika ny mpizaika ary efa misy fiara natokana ho an’izany. Eo ary no mipetraka ny olana satria raha tokony ho ny solontenan’i Betroka sisa raisina amin’ny anjaran’ny Faritra Anosy dia nososohan’ireo olona avy any Ambovombe ireto. Fa ny olana mipetraka any Amboasary Atsimo hatramin’ny omaly hariva nandraisana ny vaovao dia tsy ireo olona voafaritra hisolotena ny distrikan’Ambovombe nandritra ny Dinika Santatra ireto tonga ao Amboasary Atsimo ambara fa mpizaika amin’ny fihaonambem-pirenena ireto fa olom-baovao. Vokany dia mihitsoka ao Amboasary Atsimo miandry fandaminana avy amin’ny Raiamandreny Mijoro mpikarakara io fihaonambem-pirenena io ireto delegasiona ireto. Izany moa dia tatratry ny tsy fahamatoran’ny fikarakarana sy ny fandaminana, noho ity fihaonambem-pirenena atao kimaimaika sy enjikenjehana be ihany ity. Toe-javatra izay mahatonga ny ahiahy maro, toy ny hoe : f’angaha vola tsy nisasarana ity hatontona amin’ny fihaonambem-pirenena no ihazakazahana toy io ny fanaovana azy. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT