Politique

Fihaonambem-pirenena Karamaina 1 hetsy isan’olona ny Mpizaika


  • Zoma 17 Septambra 2010

Nitokona tsy nety nivoaka ny toerana nitobiany tetsy amin’ny LTPI Alarobia, omaly maraina, ireo mpizaika tokony hanatrika ny fihaonambem-pirenena teny Ivato.

Araka ny vaovao voaray avy eny an-toerana dia antony roa no nahatonga azy ireo nikomy dia resa-bola ary koa tsy mazava ny fomba nitondrana ity fihaonambe ity. Nivoaka ary ny feo fa misy vola be, hono, natokana hikarakarana ity fihaonambem-pirenena ity, koa rariny loatra raha omena ny zony ny mpivory, ka nivoaka ny hoe tokony hatao 100 000 ariary na 200 000 ariary isan’andro mihitsy ny vola omena ny mpiandray anjara tsirairay avy isan’andro. Araka ny nambaran’ny solontenan’ireto mpivory nandrindrina tanteraka ny vavahady teny amin’ny LTP ireto dia tsy sanatria fitiavam-bola fa fitakiana ny zon’izy ireo sy ny mangarahara no anton’izao karazana « fitokonana » izao. Mametra-panontaniana mantsy izy ireo hoe : 2000 no lisitra nifanarahana tamin’ny voalohany, efa tafiditra ao avokoa ny solontena avy any amin’ny distrika miaraka amin’ireo vondrona sy antoko ary fikambanana maro samihafa, ka nahoana no tafakatra 5000 ny mpivory tonga eny Ivato ? Avy aiza ireo 3000 fanampiny ireo ? Iza no nanome alalana azy ireo ? Nahoana no mbola nahazo badge izy ireo ? Anisan’ny feo nivoaka teny Alarobia koa ny hoe mandray karama be ny mpikambana FAT sy ny ministra, kanefa inona no zavatra mivaingana vitan’izy ireo tamin’ny famahana ny krizy ?

Raha volam-bahoaka marina no hamatsiana ny fihaonambem-pirenena, omeo izay sahaza sy mendrika azy ny solontenan’ny vahoaka miatrika ny fivoriana eny Ivato ? Nisy kosa anefa ireo mieritreritra fa asa fanakorontanana ataon’olom-bitsy izao mba hampandamoka ny fihaonambem-pirenena, ary nisy namoaka feo mihitsy aza fa misy mpikarama an’ady avy any amin’ny mpanohitra hono, tafiditra eny Alarobia sy eny Ivato, ka hanakorontana fotsiny no tena anton-dian’izy ireo ao. Tonga teny amin’ny LTP Alarobia moa omaly maraina ny Emmo-Reg notarihan’ny kolonely Richard Ravalomanana nijery ny zava-misy. Noterena ny mpizaika fa izay tsy te-handray anjara dia mahazo mody fa raha tsy izay dia tsy maintsy mandeha mivory. Ny miaramila amin’izany rehetra izany mameno tànana tahaka ireny maindry baiko ny hisambotra ireny fotsiny. Nisy fisamborana ireo nahiahiana ho niavian’ny fanakorontanana.

Roa no nororitina ary nalefa tao anaty fiaraben’ny Emmo-Reg. Navotsotra ihany moa izy ireo nony tolakandro. Marihina fa tonga teny koa i Alain Ramaroson, mpikambana FAT. Tsy nandeha nanatrika ny fivoriana ny mpizaika tao ny maraina noho ity tranga ity. Mahatsikaiky ny zava-miranga tao amin’ny LTPI Alarobia, iray amin’ireo toby itobian’ny mpizaika amin’ny fihaonambem-pirenena. Ny alahady dia nandrahona ny mpikarakara sakafo ny mpizaika tao, fa vola no ilainy fa tsy sakafo. Tany dia efa nandeha ity resa-bola ity. Vakibao, tsy niverina intsony io mpikarakara sakafo io taorian’izay. Ny alarobia indray dia nisahotaka noho ny resaka baomba ny teny an-toerana. Dia ity nitohy amin’ity fikomiana ity, fa raha tsy karama izy ireo tsy hanohy.

Fa sy RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT