Politique

Fihaonambem-pirenena eken’ny ankolafy rehetra Hotanterahana amin’ny volana Aogositra


  • Alatsinainy 14 Jona 2010

Any amin’ny volana aogositra, aorian’ny fikaonan-doha manerana ireo distrika no mety hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena izay handraisan’ny maro an’isa anjara.

Araka izany dia tokony hiavaka amin’ny fivoriana rehetra nisy hatramin’izay izy ity ary tena ahitana taratra marina ilay hoe : fiaraha-mientana sy fandraisan’anjaran’ny ankolafy sy ny firehana rehetra. Ny avy ao amin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena izay eo ambany fiahian’ny komitim-pirenena momba ny fampihavanana (CNR) no hikarakara ity fihaonambem-pirenena ity, araka ny tsiliantsofina re. Lohahevitra fito no fantatra fa mety hodinihana sy hiadian-kevitra amin’izany, dia ny fandrafetana ny lalàmpanorenana vaovao, ny momba ireo filoham-pirenena teo aloha, ny lalàna momba ny antoko politika, ny mikasika ny antoko mpanohitra, ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny CENI ary ny fampihavanam-pirenena.

Anisan’ny antony nampihemorana ny dinika santatra sy fikaonan-doham-pirenena saika notanterahana farany teo moa no hanaovana ny fifampiresahana sy fifanatonana eo amin’ireo ankolafy rehetra mba hampitoviana ny tadin-dokanga sy hikarohana ny marimaritra iraisana amin’ny fikarohana vahaolana eo amin’ny samy Malagasy. Fa teo ihany koa ny fisian’ireo fitsidihana nataon’ny mpanelanelana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay mbola hitohy ato ho ato sy amin’ny fiandohan’ny volana jolay. Araka ny feo re dia manomboka efa hita soritra kely ihany ny marimaritra iraisana eo amin’ireo ankolafy maro samihafa ary mbola hitohy ny dinika savaranonando. Raha mizotra araka ny tokony ho izy izany ary mihena tsikelikely eny ireo hevitra tsy nampifanaraka hatramin’izay dia mety ho vita eto an-toerana ihany fa tsy ivoahana any ivelany intsony ny famahana ny krizy. Na izany aza anefa, mbola sarotsarotra ihany ny adihevitra, indrindra fa momba ny fampihavanam-pirenena sy ny famotsoran-keloka ary ny momba ireo filoha teo aloha. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT