Politique

Fihaonambem-pirenena Be ny ho diso fanantenana


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Manoloana ny fizirizirian’ny Raiamandreny Mijoro sy ny FAT hanatanteraka fihaonanbem-pirenena dia maneho ny heviny ny fahitany izany ny mpanao politika maro, anisan’izany Randrianijohanimanana na i Dadamanana avy ao Antsirabe mpikambana ao anatin’ny Antoko Tiako I Madagasikara (TIM) Antsirabe.

Nahitsy mihitsy izy nilaza fa be ny ho diso fanantenana amin’io satria ry zareo mpikarakara manantena fa rehefa vita io dia ho azo na ho avy ny fankatoavana iraisam-pirenena izay katsahiny. Mihevitra koa izy ireo fa mahasolo tena ny antoko nialany ireo olona voatambitambiny toa an-dRaharinaivo avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny avy ao amin’ny HPM ankolafy Zafy albert ary ny AREMA sasany tao amin’ny ankolafy Ratsiraka. Tsy fantatr’ireo mihevi-tena ho mpitondra amin’izao fotoana ny antony mahatonga ny Vondrona iraisam-pirenena mametraka ankolafy izay tarihin’ireo filohany avy dia Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Atoa Marc Ravalomanana satria amin’ny GIC sy Vondrona iraisam-pirenena dia ireo olona telo ireo ihany no voaporofo sy eken’izao tontolo izao fa efa nankatoavin’ny vahoaka Malagasy tamin’ny alalan’ny fifidianana mivantana ary lany ara-demokratika mazava.

Tsy ny fisian’ireo antoko politika 180 mahery izay lazaina fa miaraka amin’ny FAT no ahafahana milaza fa solontenam-bahoaka izy ireo ka mahasolotena ny Malagasy. Ny ankamaroan’ireo antoko ireo anefa tsy niatrika fifidianana akory, hoy i Dadamanana na efa mba nisy niatrika fifidianana filoham-pirenena ihany fa tsy nisy tonga fihodinana faharoa akory, raha tsy haka ohatra an-dry Norbert Lala Ratsirahonana, Voninahitsy Jean Eugène, Lahiniriko Jean, Pety Rakotoniaina, ary ny vato azony aza tamin’izany dia zara raha nisy latsaky ny 10%. Ny antoko hafa indray dia anara-maneso fotsiny satria dia zara raha misy ireo birao politika fotsiny ny mpikambana ao aminy fa na rantsana ivelan’Antananarivo aza tsy misy akory, ary antoko matotoa no betsaka, hoy ihany i Dadamanana. Ny mahakasika an-dRaharinaivo koa dia nilaza ity mpanao politika ity fa sady mamita-tena koa izy sy ireo miaraka aminy no mamita-bahoaka satria olona folo eo ho eo tsy ahasolo ny fikambanana eran’ny Nosy, sady ny tambin’izao famadihany izao ve ahavaly fitia ny fitokisan’ny olona izay nifidy azy ireo teo aloha mandritra izay tetezamita hametrahan’ny FAT azy akory raha hisy izany ? Ary mbola teo ny fanamafisana avy tamin’ny Filoha mpanorina ny antoko TIM, fa mbola ny filoha Yvan Randriasandratriniony ihany no mbola filoha hatreto.

Ho diso fanatenana toy izany koa ireo hafa niala tao amin’ny ankolafy nisy azy avy hiantehitra amin’izao fitondrana mandeha ila izao satria dia fanta-bahoaka izy ireo fa ilay mpitady seza fa tsy mpikatsaka izay mahasoa ny vahoaka ka hiharan’ny fitsaram-bahoaka amin’ny fifidianana aoriana kely ao. Manaraka izany dia ho diso fanantenana koa ireo hiatrika ny fihaonambem-pirenena ary ho lany andro ihany koa toy ny natao tamin’ireo fihaonana efa vita teo aloha efa nataon’ny FAT, satria tsy hevitry ny vahoaka no hoentiny ao sy ho tapaka ao amin’io fihaonambe io. Izay no antony nahatonga ny ankolafy telo tsy handray anjara satria tsy misy fitoniana politika, manjaka ny jadona samihafa, ny fanampenam-bava etsy sy eroa, tsy fisian’ny fiaraha-mitantana izay takian’ny vondrona iraisam-pirenena, ny fandrobana ny harem-pirenena…
 
Momba ilay fandrafetana lalàmpanorenana indray dia karazan’ny resaka petatoko ihany, hoy i Dadamanana satria ny olona efa nitondra teo aloha ka afaka hitondra fanitsiana na fanamboarana aza tsy manatrika izany fa olona tsy mbola lanim-bahoaka avokoa no miseho ho mahita ny kilemany ka hametraka lalàmpanorenana vaovao lazaina sahady fa sahaza ny Malagasy. Mahagaga izany ! Mahakasika ilay fihaonana tao Ivandry moa dia karazan’ny resaka hanerena ny ankolafy telo hanaiky an’i Andry Rajoelina fotsiny iny ary zavatra tokony tsy ho natao akory raha ny fanehoan-kevitr’i Dadamanana. Samy maniry ny hialan’ny vahoaka amin’ny krizy, na ny teo aloha na ny namboly izany ka tokony hiainga amin’ny marimaritra iraisana avokoa.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT