Vita ihany ny konferasa nasionaly na dia teo aza ny savorovoro vokatry ny tsy fahamatoran’ny fikarakarana sy ny sangodim-panina maro samihafa noho ny kajikajy politika. 4000 mahery ny mandray anjara, nisy anefa ireo solontena voafidy tany amin’ny distrika no tsy tafakatra teto an-drenivohitra, fa toa hoe nisy nanova tao anatin’ny lisitra ny anaran’izy ireo.
Manizingizina anefa ny mpikarakara fa fahombiazana iny enina andro teny Ivato iny, ary tsy hisy intsony ny tahaka an’iny. Ny mpanohitra ny fitondrana FAT kosa dia matoky fa nitsefotra iny fihaonambe iny, ary tsy maintsy mbola ho avy ny tena fihaonambem-pirenena handraisan’ny ankolafy politika rehetra anjara. Fa ahoana kosa ny hevitr’ireo olon-tsotra tsy mba anisan’ireo nivory teny Ivato ?
Tiana, 32 taona : «Nieritreritra ihany aho tany am-boalohany hoe tena hipoitra amin’izay ny vahaolana aorian’ny fihaonambem-pirenena, saingy hitako izao fa vao mainka nampiditra ny firenena ao anatin’ny kizo iny fihaonana iny, satria nampitombo indray ny fizarazarana teo amin’ny samy Malagasy. Amiko dia tsy azo antoka ny vahaolana nivoaka tao satria fomba fijery tokana no tena nisongadina. Rehefa natao ny fandinihana dia ireo hetahetan’i Andry Rajoelina avokoa no neken’ny rehetra. Tsy fifandrifian-javatra izany amiko, na hoe vokatry ny fanovana, fa efa zavatra voaomana mialoha».
Lala, 58 taona : «Mahamenatra ilay fihaonambe e ! Vao manomboka dia ady sakafo sy ady seza no hita. Mipetraka ireny sary ireny ary tsy azo kosehana. Amiko dia ampy hitsarana ireo mpandray anjara sy ny tena antony nahatongavany teto Antananarivo ireny».
Rabary, 56 taona : “Amiko dia resa-bola no tena tao ambadik’iny fihaonambe teny Ivato iny, fa tsy fitiavan-tanindrazana izany mihitsy. Efa mahoraka manerana ny nosy anie fa mizara vola etsy sy eroa ny FAT dia mba tonga koa ny olona haka ny anjarany e ! Tsy misy azo antenaina amin’ny fivoriana mikorontana tahaka ireny. Aiza ve ka miova ka miova foana ny isan’ireo mpifidy. Tsy maharesy lahatra ahy ireny, ary tsy gaga koa aho raha hitsipaka ny fehin-kevitra nivoaka tao ny maro an’isa, na eto an-toerana io, na any ivelany”.
Njaka, 35 taona : “Tsy hita taratra mihitsy aloha hatreto ilay hoe fanovana mankany amin’ny tsara kokoa, raha ny fijeriko azy e ! Mampalahelo fa ny mpanao politika no tena mahazo tombontsoa amin’izao fotoana fa tsy ny vahoaka madinika”.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.