Politique

Fihaonambe faha-25 Frantsa-Afrika Sady tsy voaasa no tsy voasolo tena ny FAT


  • Alatsinainy 31 Mey 2010


Hotanterahina anio sy rahampitso any Nice, atsimon’i Frantsa, ny fihaonambe faha-25 ho an’ny Frantsa-Afrika. Tsy voaasa ary tsy voasolo tena amin’ity fihaonana ity i Madagasikara, na naniry mafy ny ho amin’izany aza i Andry Rajoelina toy izany koa i Lafrantsa mpampiantrano. 

Ho an’i Andry Rajoelina sy ny FAT tarihiny dia mitambesatra amin’izy ireo ny sazy iraisam-pirenena nataon’ny Firaisambe Afrikanina. Tsy mandray anjara amin’ity fihaonana any Nice ity koa ny filoha Ouganda, Yoweri Museveni, Omar el-Béchir (Soudan). Misy ny fanenjehana iraisam-pirenena mihatra amin’ity farany nanomboka ny 4 martsa 2009 noho ny raharaha nahafatesana olona maro any Darfour, na izany aza dia hanana solontena izy ireo. Fa anisan’ny olobe tsy ho avy any Nice amin’ity Frantsa-Afrika ity koa i Laurent Gbagbo (Côte d'Ivoire), toy izany koa i Robert Mugabe (Zimbabwe).
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT