Politique

Fihaonambe eny Ivato Tsipahin’ny SADC


  • Alakamisy 16 Septambra 2010

Dia ho sasa-poana indray ny mpizaika eny Ivato, tarihin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena, raha toa ka hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena no kendrena amin’ity fihaonambem-pirenena tanterahina eny amin’ny Foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena ity.

Namoaka taratasy mantsy ny lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, dia ny filoha mozambikana teo aloha, Joaquim Chissano fa mandeha ila io, fa tsy andraisan’ny daholobe anjara. Nomarihin’Atoa Chissano amin’ny setrin-taratasy fanasana nalefan’ny FAT tany aminy ny 07 septambra 2010 mba hanatrika io fihaonambem-pirenena io, fa na ny CNOSC izay nankatoavin’ny rehetra fa handray an-tanana ny fikarakarana ny fampihaonana ny hery velona politika eto amin’ny firenena mba hahitana marimaritra iraisana hametrahana fitoniana politika mialoha ny hirosoana any amin’ny fanatanterahana ny fihaonambem-pirenena aza tsy mandray anjara akory, tsy tazana ao ihany koa ireo olona heverina fa fototry ny fifanolanana niteraka ny krizy teto. Koa sarotra ho an’ny SADC ny hanohana zavatra mitanila toy izany, hoy i Joaquim Chissano. Na izany aza ity farany dia mampirisika hatrany ny hanohizana ny dingana fikatsaham-bahaolana ataon’ny CNOSC ary koa milaza fa manohana ny dinika samy Malagasy ao anatin’izany.

Namaly bontana moa ny voakasik’izany nilaza fa tsy mitombina ny filazana fa mandeha ila ny fihaonambem-pirenena tanterahina eny Ivato ity, satria voasolotena avokoa ny avy any amin’ny distrika 119, ary misokatra tamin’ny fikambanana sy antoko politika ny fandraisana anjara. Nambaran’ny Raiamandreny Mijoro fa raharahan-tokantranon’ny Malagasy ity, ka tsy misy mahasakana ny hampiasana volam-bahoka ho amin’ny fanatontosana izany, raha toa ny famatsiam-bola avy amin’ny governemanta no ilazana fa mandeha ila io fihaonambem-pirenena io. Na izany na tsy izany aloha, dia toa sosoa voatapo-drano ny mpizaika eny Ivato tratr’ity taratasin’ny SADC ity. Mety ho izay no mahatonga ny mpizaika maro nilaza fa tsy hiverina eny Ivato intsony amin’ity anio. Amboletra tokoa mantsy no betsaka eny, fa tsy misy adihevitra mandeha amin’izay laoniny.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT