Nohamafisina ny fitandroana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina, nandraisana fepetra manokana mihintsy amin’izao fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonambe faha-19 ny COMESA, tanterahina ny 10 ka hatramin’ny 19 oktobra 2016 izao.
Miverina an-dakazera avokoa ny miaramila, na ny tany ampialan-tsasatra aza naverina miandry baiko sy toromarika, ankoatra ireo misahana ny fiarovana ny toeram-pivoriana sy ny toerana ipetrahan’ireo vahiny Afrikanina mpizaika. Miainga eny Andafiavaratra ny fibaikoana rehetra momba izany, ka ny Zandary no mandrindra ny fiarovana, ny Polisy kosa manao ny fanangonam-baovao na « renseignement ». Ankoatra ireo dia natao laharampahamehana amin’ny famatsiana herinaratra ihany koa ireo toeram-pivoriana sy ipetrahan’ireo mpizaikan’ny COMESA, ka misy fotoana voatery mihafy amin’ny fahatapahan-jiro ny mpanjifan’ny Jirama eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.