Politique

FIGN Zandary efatra indray no nalefa eny Tsiafahy omaly, ofisie ny roa


  • Alarobia 02 Jona 2010

Zandary efatra indray no nalefa eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy omaly. Manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimaria ny roa tamin’ireo. Ireo roa ambiny kosa dia i Jean Relava sy Fikisy Lydie.

Samy zandary kilay faharoa izy ireo. Raha tsiahivina dia samy nandefasan’ny zandarimaria antso avo izy roalahy farany ireo mba hitolo-batana ho fitsinjovana ny ainy. Dia namaly tokoa ny antso ary nanolo-tena teny amin’ny sampam-pikarohana misahana ny heloka bevava tetsy Fiadanana. Ny alatsinainy 31 mey teo ireo no tonga teny ary nilaza fa nanenjika azy ny eritreriny no sady lany vatsy ihany koa. Efa tapitra namidy avokoa izay mba kely nananana sy teny am-pelatanana raha araka ny fanazavan’i Relava tamin’ny zandary nihaino azy. Tsy nisy intsony na ny natao sakafo na ny toerana niafenana no sady nanenjika ihany koa ny eritreritra noho ny fisian’ireo namany hafa izay efa nosamborina ka nalefa eny am-ponja. Izany hoe : mety mba misy firaisan-kina amin’ireo namany ihany ny anton’ity fitoloram-batana ity. Ireo olona efatra ireo izany no nameno ho 22 ireo zandary izay naiditra am-ponja vonjimaika. Ny iray amin’ireo ihany no eny Antanimora fa ny 21 hafa eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy avokoa no tazonina.

Raha araka ny fanazavana azo dia vonoan’olona, fandrisihina ady an-trano, fihetsehana miaraka am-basy nefa tsy misy alalana ary fanohintohinana ny filaminana anatiny, no hanenjehan’ny fitsarana azy ireo. Ny sasany indray, anisan’izany i Relava sy Daiky dia mbola misy fiampangana hafa mitambesatra amin’izy ireo noho izy roalahy izay mbola tafiditra ihany koa tamin’ny raharaha 07 febroary 2009, raha araka ny fanambaran’ny zandarimaria hatrany. Raha ny fihevitry ny maro dia mety hampihena ny sazy mety hianjady amin’izy ireo ny fitolorany vatana toy izao. Tsy mbola fantatra kosa na ny tribonaly miaramila na koa ny tribonaly misahana ny heloka bevava no hanao ny fitsarana ireto olona ireto. Mbola anisan’ny handehanan’ny saina ihany koa dia ny hoe nanao ahoana ny valin’ny fanadihadiana ilay vola 2,5 miliara izay niaingan’ny disadisa ? Moa ve tsy tokony mba hisy hidoboka eny Tsiafahy koa ireo tompon’andraikitra tamin’izany ? Amin’izay mba tsy misy ny fitsarana mitanila izay toa hita mibaribary amin’izao fotoana izao, araka izay efa nanaovan’ny Sendikan’ny Mpitsara Malagasy vaky bantsilana ny herinandro lasa teo. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT