Politique

FIGN Niandry hatramin’ny farany ny CAPSAT hanafika


  • Alakamisy 20 Mey 2010


«Tsy misy mamatsy vola izany ny FIGN ary tsy manao politika velively. Ireo 4X4 hitanareo dia an’ny namana fa tsy an’ny mpanao politika izany. Mahakasika ny hoe hanao fanonganam-panjakana indray dia mbola tsindriako eto ihany fa tsy teto Tana aho fa tany Ampefy tamin’iny fotoana iny. Ary raha hanongam-panjakana aho dia tsy ho toy ireny velively no fisehony. Tadidio fa kolonely aho ary nianatra momba ny tafika. Mahakasika ny zava-misy amin’izao indray dia fiarovana ny toby no ataonay. Natao faran’izay mafy izany nanomboka omaly rehefa naheno izahay fa hisy toby miaramila hafa hanafika anay. Nanampy trotraka ny ahiahinay ka nandraisana izao fepetra izao ny fahatapahan’ny jiro aty Fort-Duchèsne izay tokony ho faritra mena. Amin’izay tsy mba nisy filazana mialoha akory. Miatrana izahay ary miandry izay ho avy. Rahampitso kosa dia manainga ny rehetra izahay, na olon-tsotra na miaramila mba ho tonga eny amin’ny Mausolée amin’ny valo ora maraina mba hanampy anay amin’ny fiarovana. Tsy ho vitanay irery intsony mantsy ity raharaha ity».

Io avy hatrany ny fanazavan’ny Lietnà-Kolonely Randrianjafy Raymond izay miandraikitra ny FIGN, omaly hariva be manoloana ny feo nandeha fa hisy hanafika ity toby ity. Fa inona no tena zava-nisy ? Omaly vao maraina dia henon’ny Capsat ny hoe hanao fanambarana eny amin’ny RNM ny zandarin’ny FIGN, amin’ny enina ora hariva. Manoloana an’izany dia tezitra iretsy voalohany ary namoaka ny fitaovam-piadiana tao amin’ny toby. Ny tapaka teo dia ny hoe tsy havela hanao io fanambarana io ny FIGN. Handrasana eny amin’ny RNM dia eo no hifampitana raha sanatria ka tena ho tonga eny tokoa ny zandarin’ny Fort-Duchèsne. Nahoraka eran’ny toby marobe izany vaovao izany omaly ihany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny toby sasany toy ny RM1 ary nandefa miaramila tetsy amin’ny RNM mba hanamafy ny fiambenana. Ny tanjona eo dia tsy fantatra mazava na hanampy ny Capsat amin’izay tsy hahatafidiran’ny FIGN na koa tsy hamela ny roa tonga hiditra ao amin’io haino aman-jerim-panjakana io. Raha ny teny amin’ny RNM indray dia hita tokoa fa tena feno miaramila miambina ny toerana. Tsy tonga teny ny FIGN tamin’ny enina ora. Raha ny filazan’ny mpanao gazetin’io onjam-peo io ihany rahateo dia efa azo feo ny vaovao amin’ny fito ora sy sasany hariva ka tsy azo ovana intsony na iza na iza ho avy eo. Raha fintinina dia tsy nisy fanambaran’ny FIGN mihitsy izany tao amin’ny RNM omaly. Miantso ny vahoaka ireo zandary etsy Fort-Dushène anio. Ho tafita ve ny fiangavian’ izy ireo ? Tantara mitohy...

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT