Politique

«FIGN» Nahazo fampiantsoana koa i Satrobory


  • Alakamisy 10 Jona 2010

Mitatra toy ny sima misioka ny raharaha FIGN. Mitombo hatrany ny olona antsoina hanatona ny sampandraharahan’ny zandary misahana ny heloka bevava mba hohadihadiana. Ankoatra ireo pasitera maromaro sy Henri Lecacheur dia fantatra koa izao fa antsoina i Satrobory mba hohenoina.

Tsy mbola tonga teny an-toerana anefa ny tenany hatramin’ny omaly raha efa elaela ihany no nandefasana ny taratasy fampiantsoana tany aminy, araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Raha nanontaniana an-tariby ny Rév Satrobory dia “nilaza ho tsy mbola naharay taratasy fampiantsoana izany”. Na izany aza dia nambarany fa “toa misy dimy, hono, izahay no handefasana fampiatsoana”. Mazava izany fa tena tadiavina hampidirina ho mpanongam-panjakana avokoa izay rehetra tonga teny amin’ny FIGN tamin’iny andron’ny 20 mey iny na pasitera izany na mpanao politika, na miaramila na koa olon-tsotra. Raha ny fantatra aza dia miezaka ny mijery ireo sary rehetra azo teny an-toerana tamin’iny fotoana iny ny mpanao fanadihadiana mba hamantarana izay mety ho fantatra ka hiantsoana azy ho eny Fiadanana. Asiana laharam-pahamehana aloha izany hatreto.

Mitodika amin’ny mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana aloha ny fanadihadiana ankoatra ireo sivily sasantsasany izay tafiditra amin’ny famatsiana fitaovana. Anisan’ireny i Henri Lecacheur izay voarohirohy ho namatsy fiarakodia 4X4 ho an’ny FIGN. Teo koa ilay mpandraharaha iray avy any Toamasina izay voalaza fa nanofa ireo fiara 4X4 maromaro teo anivon’ny orinasa mpampanofa fiara iray eto an-drenivohitra mba hampiasain’ny FIGN. Mbola manodidina ity resaka fanenjehana etsy sy eroa ity ihany dia tsikaritra fa mihazakazaka na ny mpitandro ny filaminana mpanao fanadihadiana na ny minisiteran’ny fitsarana mandavaka momba ireo dosie mafana. Porofon’izany ny fisian’ireo olona hatao fanadihadiana ifotony isan’andro etsy Anosy, toy ny manodidina ny raharaha FIGN, ny mahakasika ny raharaha fanonganam-panjakana (Ambohijanaka), manginy fotsiny ny momba ireo mpanao gazety izay efa ho herinandro vitsivitsy izay no notazomina am-ponja. Raha ny tsiliantsofina dia efa nivoaka avokoa ny daty hitsaràna ireo raharaha ireo. Ny tena mahamaika ny fitondrana FAT anefa izao dia ny fitsarana ny raharaha “7 febroary” sy ny raharaha FIGN. Mazava ho azy fa entina hanilihana ireo rehetra... manelingelina no antony. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT