Politique

Fifidianana Vonona ny TIM


  • Sabotsy 24 Septambra 2016

Ao anatin’ny heriny tanteraka ny antoko Tiako i Madagasikara amin’izao fotoana ary vonona amin’ny fifidianana rehetra hatao eto amin’ny firenena.


 Nanamafy izany Atoa Andriamahefaparany Olivier Donat, Sekretera jeneralin’ny antoko omaly. Manaitra ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ny hamitana ny fifidianana tsy vita toy ny eny anivon’ny faritra ny antoko. Nambaran’ny Sekretera jeneraliny fa amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no handraisana ny fahefana noho ireo olona tendrena lasa manana trosa amin’ireo nanendry azy ka tsy ny firenena no tompoina fa ireo nametraka ny tena teo amin’ny toerana. Nampahatsiahy Atoa Andriamahefaparany Olivier Donat fa velona sy ao anatin’ny heriny tsara ny antoko ka na dia teo aza ny fanonganam-panjakana nanapotika ny rafi-panjakana nisy teto dia mbola manana ny tanjany ity antoko ity. Porofon’izany ny vokatra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena lasa teo tsy nampitsanga-menatra ny Tiako I Madagasikara nandritra ny fanohanany ny kandidany nahazo ny laharana faharoa. Maneho ny maha tsy azo tsinontsinoavina ity antoko naorin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity ny heriny ara-politika. Ity farany rahateo efa nanambara ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 hahafahany miditra lalindalina kokoa amin’ny fanarenana an’i Madagasikara.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT