Hitsahin-dRajoelina ny haja amam-boninahitr’i Madagasikara ka tokony hieritreritra ny tafi-bahoaka, hoy ny CT Rarison Hilarion tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly.
Sarotra ho an’ny mpanongam-panjakana ny hahazo fankatovana iraisam-pirenena, hoy izy. Ny olona nanongam-panjakana mitaky ny hirotsaka hofidiana koa nahoana ny olona voafidim-bahoaka no tadiavina sakanana. Tsy hiadian-kevitra ny maha kandida ny filoha Ravalomanana, hoy ny CT Hilarion. «Tsy misy fanjakana intsony eto», hoy ihany izy nanamafy ary tsy mipetraka intsony izany tany tan-dalana sy fanjakana ara-dalana izany. Tsy hisy fifidianana izany amin’ity 2013, hoy ihany ity CT avy any Fianarantsoa ity ka manao antso avo amin’ny vahoaka ho tonga saina. Tsy maintsy averina amin’ny filoha Ravalomanana ny fahefana.
Nanamafy izany i Guy Maxime Ralaiseheno, nilaza fa na inona na inona ataon-dRajoelina dia ho resin’ny filoha Ravalomanana izy raha vao mirotsaka eo. Ny zava-misy manko dia azo sokajiana ho anisan’ireo mpanao politika mahay i Marc Ravalomanana satria tsy nisy fandatsahan-dra ary hainy koa ny mialoha ny zavatra hitranga, hoy ny fanazavana. Ny ankilany anefa taitaitra fotsiny ihany. Hany ka voafatotry ny vava natao. Raha jerena amin’ny lafiny politika, hoy ihany i Guy Maxime dia efa rava i Andry Rajoelina satria na ireo nanao “hobio” azy aza efa niteny fa “ampy izay”. Efa hita avokoa, hoy ity mpanao politika ity fa tsy misy hevitra intsony fa vita ny an-dRajoelina ka mila averina amin’ny ara-dalàna ny firenena. Mahantra noho ny fanonganam-panjakana, noho ny fialonana ny Malagasy. Araka ny fanazavan’ireo rehetra nandaha-teny tetsy amin’ny Magro moa dia ao anatin’ny vanim-potoana fiomanana amin’ny fodian’ny filoha Ravalomanana izay tsy ho ela intsony ireo mpandala ny ara-dalàna.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.