Politique

Fifidianana Tokony hitovy ny vaovao azon’ny rehetra, hoy i Alain Tehindrazanarivelo


  • Zoma 01 Febroary 2013

Efa tokony hiroso amin’ny fiantsoana ny mpifidy rehetra feno 18 taona ny governemanta manomboka ny 08 febroary ho avy izao, araka ny hevitr’i Alain Tehindrazanarivelo, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ho fanajana ny telo volana mialoha ny datim-pifidianana voatondro ny 8 mey.

 Amin’io 8 febroary io ihany koa no tokony hampahafantarana ny rehetra ireo karazam-pifidianana hotanterahina eto amin’ny firenena sy ny fotoana hanatanterahana izany. Ankoatra ireo, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny CST ity dia tokony ho fifidianana manara-penitra no hatao. Tokony ho ny 98%-n’ny mpifidy hoy ihany izy no tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana farafaharatsiny ka aorian’ny famoahan’ny CENI-T ny lisitra mikasika izany dia tokony handray ny andraikiny ny tsirairay hanamarina ny anarany raha tiana tokoa ny hisian’ny fifidianana eto amin’ny firenena. Mitaky fahavononana betsaka avy amin’ny tsirairay izany, hoy i Alain Tehindrazanarivelo raha mbola resaka hafa ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ny firenena ary ny fahalalahana sy ny fampitovian-jo eo amin’ny lafiny serasera. Tokony hitovy ny vaovao ho azon’ny rehetra, hoy ihany ity filohan’ny antoko ENINA ity mba tsy hitanila.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT