Politique

Fifidianana Toherin’i Kaleta ny hevi-dRajoelina


  • Alarobia 03 Aogositra 2011


 Nanao be fiavy tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray tao Faradofay i Soja Jean André na i Kaleta ny faran’ny herinandro teo, nanehoany ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, ny tokony hanatanterahana ny fifidianana na tsia, ny momba ny tondrozotra voalaza fa hosoniavina… Nahitsy ny teniny fa tsy ankatoaviny ny filazana fa ireo Ben’ny tanàna ihany no hifidy ny lehiben’ny Faritra. Hentitra koa izy nilaza fa toheriny izay olona na andian’olona mivoy io hevitra io.

Midika io fa manohitra avy hatrany ny hevitry ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina i Kaleta. Raha ampahatsiahivina mantsy dia ireo manana Ben’ny tanàna maro ihany no ho tompon’ny sezan’ny lehiben’ny Faritra, araka ny hetahetan’ny filohan’ny FAT. Nambaran’i Kaleta koa fa raha vao atao sonia ny sori-dalana dia rava avy hatrany ny governemanta. Na izany na tsy izany, hoy izy miankina betsaka amin’ny Ankolafy telo ny hoavin’ny firenena amin’ny famahana ny krizy.

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT