Niaiky ny tsy fahatomombanana ao anatinny Lalàmpanorenana Malagasy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier.
Ohatra azo raisina amin’izany ny tsy nahatafiditra ny fokontany ho anisan’ireo rafi-pitsinjaram-pahefana. Mbola ny didim-pitondrana nankatoavina nandritra ny tetezamita tamin’ny taona 2010 hatreto no manan-kery amin’ny fomba fitantanana ny eny anivon’ny fokontany eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny fanazavany, antony mahatonga ny fanjakana manendry ireo filoham-pokontany. Tsy hanendry mivantana ireo olona hitantana ny fampandrosoana eny ifotony anefa ny solontenam-panjakana fa hampiantso fivoriambem-pokonolona, hoy ny lehiben’ny governemanta. Hifidy olona 5 kosa ity farany ka ny iray amin’izy ireo no hotendren’ny lehiben’ny distrika ho lasa lehiben’ny fokontany. Tsy maintsy tontosa mialoha ny faran’ity taona 2016 ity kosa ny fanoloana ireo sefo fokontany manerana an’i Madagasikara, araka ny vinavinan’ny fanjakana foibe. Tsilian-tsofina re ny tsy fandraisana karaman’ireo sefo sy lefitry ny fokontany eto Antananarivo Renivohitra efa ho 14 volana izao. Misitraka ny valin-kasasarana tsara kosa anefa ireo sekretera sy mpitambola izay andraikitry ny kaominina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.