Politique

Fifidianana “Ny CENI no tokony handresy lahatra ny vahiny”, hoy i Roland Ratsiraka


  • Talata 06 Aprily 2010


Ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI no tokony handresy lahatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny amin’ny tsy maintsy hanatanterahana ny fifidianana ato anatin’ny fotoana fohy fa tsy ny fahefana avon’ny tetezamita intsony, araka ny hevitr’i Roland Ratsiraka, filoha nasionalin’ny Malagasy Tonga Saina (MTS), sady mpikambana eo anivo’ny HAT, raha nivahiny tao amina fahitalavitra tsy miankina iray izy ny alahady alina teo. Nambarany hatrany fa tokony hivory haingana miaraka amin’ireo masoivoho rehetra eto amintsika ny CENI, ary mandresy lahatra azy ireo mba hanampy antsika amin’ny fikarakarana sy fanatanterahana ny fifidianana. Ilaina ihany koa ny fivoahan’ireo mpikambana avy ao amin’ny CENI any ivelany mba hifampiresaka amin’ny Vondrona Eoropeanina any Bruxelles, ohatra, na amin’ny Firenena Mikambana any New York, araka ny hevitr’i Roland Ratsiraka ihany, mba ahafahana mifanakalo hevitra sy mifandresy lahatra. Rehefa vita izay rehetra izay, ka manaiky ny hanampy antsika amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa, dia manome ny daty mazava hanaovana ireo fifidianana isan-karazany amin’izay ny CENI, araka ny soso-kevitry ny filohan’ny MTS ihany. Ka mialoha ny tena hirosoana amin’izany dia tsy maintsy karakaraina ato anatin’ny fotoana faran’izay haingana, iray volana ohatra, ny fampihavanam-pirenena, araka ny hevitr’i Roland Ratsiraka ihany.

Manampy izay rehetra izay dia tsara kokoa raha atsahatra amin’izay ny fanenjehana sy fisamborana ary fanagadrana noho ny resaka politika na ny tsy fitovian-kevitra, satria izany no nanakorontana sy nahatonga ny gidragidra teto, araka ny fanambarany ihany. Hafa kosa indray raha tena voaporofo fa nandika lalàna sy nanakorontana ny firenena ilay olona. Tsy mbola nilaza kosa anefa ity filoha mpanorina ny MTS ity, na hilatsaka hofidiana filoham-pirenena ny tenany na tsia, na dia efa maro ihany aza no mieritreritra izany noho ireo fihetsiketsehana maro samihafa ataon’ireo mpomba azy manerana ny faritra maro eto amin’ny nosy. Ny fanampiana ny vahoaka noho ny fahasahiranany amin’izao fotoana aloha no mahamaika anay, hoy i Roland Ratsiraka, ka rehefa mipetraka tsara ny rafitra rehetra amin’ny tetezamita ary milamina ny fanomanana ny fifidianana dia ho hita eo ihany.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT