Nivoaka ny kianja ny hetsiky ny mpitolona tao amin’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 02 febroary lasa teo.
Teny ankalamanjana nandritra ny hetsika fambolen-kazo nataon’ny Tiako I Madagasikara tao Andraikiba no nanaovana ny hetsika tamin’io. Tazana avokoa ny ankamaroan’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ao Antsirabe nandritra ity hetsika ity nanentana momba ny fivoaran’ny tolona. Tamin’izany no nanambaran’ny Minisitra Olga Ramalason tamin’ny teny hentitra fa “tsy hisy fifidianana izany eto Madagasikara raha tsy tafody eto ny filoha Marc Ravalomanana, araka ny voalazan’ny tondrozotra ihany”.
Nitondrany fanazavana koa ny tombantombana avoakan’ny gazety ny amin’izay ho kandida solon’ny filoha Marc Ravalomanana. Nohamafisin-dRtoa Olga Ramalason fa tsy maintsy iandrasana ny filoha Marc Ravalomanana tonga eto ny fanendrena izay ho kandida. Nohamafisiny fa raha tiana ny hisian’ny fifidianana dia tanterahina ny tondrozotra. Efa nambaran’izy ireo nandritra ny fihaonana tamin’ny iraky ny SADC tonga farany teto, dia ny Dr Leonardo Simao mantsy fa izay ihany no takian’izy ireo dia ny fampiharana manontolo ny tondrozotra.
Nambaran-dRtoa Olga Ramalason ihany koa fa miady mafy ny hanovana ny fifidianana mandeha ny FAT amin’izao fotoana mba hanararaotana ny fahefana eo am-pelatanany sy ny fananam-panjakana ka hikendry ny maro an’isa amin’ny parlemantera mba hifidianana ny Praiminisitra. Efa nohamafisinay tamin’ny iraky ny SADC, hoy izy fa “izay tetiandro efa nofaritan’ny rehetra sy nifanarahana ihany no ekena”. Nohamafisiny ny fitakian’ny ankolafy Ravalomanana ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT hatramin’ny 2009 mba hifandanjan’ny hery mialoha ny fifidianana satria dia manjaka tokana amin’ny fitaovam-panjakana ny FAT amin’izao fotoana. Fa anisan’ny vaovao goavana nambaran’ny minisitry ny varotra Olga Ramalason ny filazany fa efa voapetraka ny fitoriana ny fanjakana tamin’ny famotehana ny orinasa TOP II any Toamasina izay ninian’ny FAT nopotehina noho ny fankahalana ny filoha Marc Ravalomanana ka ho hita eo izay fihetsiky ny fitsarana ny amin’izay.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.