Tsy hita mihitsy ny fahavononan’i Andry Rajoelina amin’ny famahana ny krizy ka tokony ho tonga saina ny vahoaka, hoy ny CT Ravelonanosy Mamitiana tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Ny zavatra hita, hoy izy dia ny filoha Marc Ravalomanana foana aloha hatreto no mandefitra. Mila mivonona ny vahoaka Malagasy fa tsy maintsy ny vahoaka no hamarana izao krizy izao. Miomana isika fa tsy maintsy handray andraikitra ny Malagasy hiaraka hamaha sy hamarana ny krizy, hoy izy. “Raha sahy dia mitenena hoe hilatsaka aho”, hoy kosa ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randrianjatovo Henri, amin’ny firotsahan-kofidian’i Andry Rajoelina. Aleo ho avy eo ny fifidianana hahitana azy raha sahy, hoy izy nanamafy.
Tsy ny ankolafy Ravalomanana no hanakana ny filohan’ny FAT tsy hirotsaka, hoy ity mpikambana eo anivon’ny CST ity fa ny lalàna iraisam-pirenena no mamaritra fa ny mpanongam-panjakana dia tsy mahazo miditra amina fifidianana. 109 ireo voasazy fa mety mbola mihoatra an’izany. Mbola hatao sorabaventy ny anaran’izy ireo, hoy izy. Ho an’ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert kosa dia mazava ny resaka. Na handeha ho aiza na handeha ho aiza i Andry Rajoelina ka tsy hampihatra ny sori-dalana, tsy hanaiky ny fodian’ny filoha Ravalomanana dia ho reraka eo fotsiny. Izay fahatongavan’ny filoha eto an-tanindrazana izay no andrandrain’ny maro an’isa, hatrany amin’ny Faritrany sy Faritra rehetra any, hoy ingahy Noginco.
Tetsy andanin’izay dia nambaran’i Manoela Ralaimampisainarinony fa miketrika hanao zavatra hafa i Andry Rajoelina satria efa tsy voasakany intsony ny fodian’i Marc Ravalomanana. Araka ny nambarany, misy andian-jatovo atosika hilanja sorabaventy milaza fa tsy mila an-dRavalomanana fa mitaky kosa ny filatsahan-dRajoelina. Miantso ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ao anatin’ny SADC i Manoela mba handray andraikitra, hitana ny teniny, indrindra amin’ny fodiana tsy misy fepetra efa voasoratra ao anaty sori-dalana ho an’ny filoha Ravalomanana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.