Tetezamita vaovao no ilaina raha tiana ny hisiana fifidianana marina eken’ny rehetra, hoy ny Ravelonanosy Mamy Tiana.
Nambarany fa hatrany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI-T mihitsy no mila havaozina. Ankoatra izay dia isan’ny fepetra hisiana fifidianana madio sy marina ihany koa ny fisiana fitoniana eto amintsika. Fitoniana izay midika fa avoaka avokoa ireo gadra politika rehetra, misokatra koa ireo haino aman-jery nakatona sy ny fodian’ireo sesitany politika tsy ankanavaka, ao anatin’izany ny prezida Marc Ravalomanana. Nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa vonona hiatrika fifidianana ny ankolafy Ravalomanana, saingy miandry ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana vao hidinika ny amin’ireo izay ho kandida. Tetsy andanin’izany dia nambaran-dRarison Hilarion izay zanaky ny Faritra Matsiatra Ambony fa misy antony lehibe matoa nahemotra ny dian’i Andry Rajoelina tany Fianarantsoa, nikasa hitokana foto-drafitr’asa.
Miandry ny filohan’ny FAT ny vahoakan’i Fianarantsoa, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Fito volana tsy voaloa karama ireo mpiasan’ny Kaominin’i Fianarantsoa, hoy izy. Nandritry ny taona 2009 koa dia tsy nandray karama ireo sefo Fokontany miisa 50 miampy ireo lefiny, hoy hatrany Rarison Hilarion. Momba ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana dia mazava ny resaka, hoy ity farany. Vao migadona eny Ivato izy dia hiova ny toe-draharaha eto Madagasikara, ka mampatahotra mafy ny FAT.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.