Politique

Fifidianana mialoha ny fotoana Manomboka miala bala ny CENI


  • Alakamisy 29 Septambra 2016

Efa resaka nandeha teto amin’ny firenena ny tokony hanaovana fifidianana mialoha ny fotoana noho ny fahitan’ny ankamaroan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena sy mpanao politika, indrindra fa ny mpanohitra fa tsy mahazaka fitondrana intsony ny mpitondra ankehitriny

 

. Nitondra ny heviny mikasika izany Atoa Hery Rakotomanana, Filohan’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) omaly. Nomarihiny fa ny rehetra no tompon’ny teny farany amin’ny hanaovana fifidianana mialoha ny fotoana. Natsidiny kosa ny tsy haha matihanina ny fanaovana ny fifidianana. Nambarany fa isaky ny fifidianana vita dia misy foana ny tombana atao. Misy ny fijerena ny lesoka nandritra ireo fifidianana nifanesy ka avy amin’izany no hahafahan’ny CENI milaza fa tsy azo inoana ny hahatontosana ny fifidianana mialoha ny fotoana, araka ny tokony ho izy. Nambarany ihany koa fa manana ny programany efa iomanany ny CENI ka ny taona 2018 no voatondron’ny lalàmpanorenena hanaovana izany. Mbola lesoka eto Madagasikara sy amina firenena Afrikanina maro misy rafitra toa ny CENI ny resaka tsy fangaraharan’ny fifidianana izay miteraka korontana matetika ka ilana drafitra maty paika mba ho tena fifidianana araka ny safidim-bahoaka marina; na izany aza anefa tokony efa mba vonona amin’ny tranga rehetra ihany koa ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana fa tsy miala bala fotsiny.


Toky R.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT