Politique

Fifidianana Malalaka ny lalan’ny TIM Manakara


  • Alakamisy 30 Jona 2011

Tahaka ireny hoe lasitra iray ireny ny kabarin’ireo mpitondra FAT manerana ny Nosy tamin’iny andron’ny 26 jona fetim-pirenena iny rehefa tonga eo amin’izay tsy maintsy hitenenana ny Filoha Marc Ravalomanana izy ireo.

 Teny Iavoloha, ohatra, dia nasian’ny filohan’ny FAT tsindrim-peo manokana ery ny amin’ny hoe : “tsy tokony hahazo famotsoran-keloka ireo namono olona” mba hilazana fa ny Filoha Marc Ravalomanana no voakasik’izany. Tany Manakara indray dia nasongadin’ny filohan’ny delegasiona manokan’io tanàna io, Sileny Alban, ireo mpitondra nifandimby teto amintsika hatramin’ny fanjanahantany hoe nahavita an’izao sy izao fa rehefa tonga teo amin’ny anjaran’ny Filoha Ravalomanana dia tsy niteny afa tsy ny hoe : “mpamono olona, mpandroba fananam-pirenena …” ny lehilahy.

Toa adinony fa mbola toy ny sarety ny fandehanan’ny fiara mankany amin’ity tanàna ity raha tsy vitan’ny fitondran’ny Filoha Ravalomanana ny lalam-pirenena faha-12 mampitohy an’Irondro sy Manakara sy ny lalam-pirenena faha-25 mandalo an’i Vohiparara. Raha taorian’ny matso izay natao no nanaovana ny kabary dia mety ho niova kely ihany ny teny nataon’ity PDS-n’i Manakara ity. Ny zava-nisy mantsy dia takona tanteraka ireo antoko samihafa nandray anjara tamin’ny matso tao amin’ny kianja monisipalin’i Manakara tamin’ny 26 jona teo, toy ny TGV, MDM, antoko Maitso, AMP ary Exopoles Manakara na dia efa nitambatambatra aza raha vao niseho ny filaharan’ny Anakavy amin-dreny avy ao amin’ny antoko TIM Manakara izay saika nameno ny “piste” fihazakazahana tamin’ity kianja ity. Ankona tany anaty ny fahitana ireo manampahefana teny amin’ny “Tribune” niaraka tamin’ireo olona nasaina rehetra nahita izany trangan-javatra izany, ka nahaloa-bava ny maro fa raha izao dia izao tokoa no hatao ny fifidianana dradradradraina isan’andro vaky io dia efa mazava ny vokatra ho azo ao amin’izany tanànan’i Manakara izany. Ny heverin’ny olona hifampitana amin’ity antoko TIM Manakara ity dia ry zareo avy amin’ny RPSD izay nisongadina koa tao amin’ity matso ity ary ny avy amin’ny antoko Arema tsy nandray anjara nefa nambaran’ny mponina fa mbola maro an’isa ihany koa ao Manakara ao. Atoa PDS moa dia nanizingizina tamin’ny fitafana nivantana taminy fa ananany porofo ny fanomezana lelavola tsirairay avy ho an’ireo Anakavy amin-dreny TIM ireo. Dia ataovy ny kajikajinao fa 2500 ireo vehivavy nilahatra sy nizarana nofon-kena nitam-pihavanana tamin’izany.

 

Manohy

 

SARY : Ny antsasaky ny Anakavy amin-dreny TIM ireo hita ireo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT