Politique

Fifidianana Kitoatoa ny fikarakarana


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010

Tapaka teo anivon’ny filankevitry ny ministra ny 20 septambra 2010, ny didim-panjakana mamaritra ny fifidianana Ben’ny tanàna, hatao ny 20 desambra ho avy izao, hoy i Hajo Andrianainarivelo, ministry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana tany Foulpointe ny faran’ny herinandro teo.

Raha ny tetiandro nambarany dia hanomboka ny 18 novambra ary hitohy hatramin’ny faran’ny volana novambra ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo te ho Ben’ny tanàna. Midika izany, fa sady hanangona sy hanara-maso ny voka-pifidianana ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana ny CENI, no handray sy hanamarina ny filatsahan-kofidian’ireo kandida Ben’ny tanàna ihany koa. Raha raisina koa io fe-potoana nambaran’ny ministra io dia manana 13 andro, raha tokony 15 andro raha ny lalàna tena izy no arahina, ny mpilatsaka hofidiana hanomanany ny antontan-taratasiny sy ny fanaterana izany eny anivon’ny CENI. Ny CENI ity koa aza no raharaha satria mbola eto Analamanga ihany no tomombana tanteraka ny fijoroany, fa ireo Faritra 21 ambiny sy ny distrika 118 ambiny kosa dia anarana sy lalàna voasoratra fotsiny no mametraka azy any.

Ny ao Toamasina aza dia voalaza fa toa hoe anio alatsinainy vao hatsangana sy hofanina ny fifidianana ireo CER sy ny CED sampan’ny CENI faritra sy distrika, nefa ny fampielezan-kevitry ny fitsapan-kevi-bahoaka efa nanomboka herinandro lasa izay. Na nilaza aza ny ministra fa amin’ny fotoana fametrahana ny dosie dia ho fantatra na voaray na tsia ny filatsahan-kofidian’izay ho Ben’ny tanàna, dia ny lalàna no mamaritra mazava fa “fandraisana antontan-taratasy no atao ao anatin’ny fe-potoana fanaovana izany, aorian’ny fahatongavan’ireo antontan-taratasin’ny mpilatsaka rehetra sy ny fe-potoana hikatonan’ny fandraisana izany, vao mandinika izany ny Komity manokana, ary mamoaka ny lisitra izay ara-dalàna mety ho 48ora, mety koa ho 10 andro, raha ny lalana tena izy no arahina”.

Midika izany rehetra izany fa any amin’ny herinandro faharoan’ny volana desambra vao ho fantatra izany lisitra izany. Ny didim-panjakana anefa mametra fa 21 andro no faharetan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, raha tsy hoe ferana anatin’ny 5 andro ny fe-potoana fametrahana filatsahan-kofidiana, dia tsy maintsy avoaka 48 ora aorian’izany ny lisitra ara-dalàna, dia tratra tsara ny 29 novambra mameno ny fe-potoan’ny fampielezan-kevitra ho 21 andro ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna. Ho hita eo anefa izany, fa ny zava-misy aloha dia miferinaina nefa tsy afa-manoatra ireo tena mahay ity resaka lafin-tany ity eo anivon’ny distrika maro manerana ny Nosy, fa manaraka ny onjany eny na hita aza fa betsaka ny lalàna tsy voahaja fa ny mahamaika dia ilay tenin’ny ministra ny fanapariaham-pahefana manao hoe “tsy ny resaka fanomanana ny fifidianana no zava-dehibe amin’izao fifidianana hatrehina izao, fa ny finiavana hiditra ao anatiny, entina hanovana ny rafi-pitantanana sy fiarahamonina eto amintsika, fa mila fanovana ny vahoaka ary mila miala haingana ao anaty krizy”.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT