«Tanora lahy kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany no hanasokajiana an-dRajoelina», hoy i Zafilahy Stanislas manoloana ny fihetsik’i Andry Rajoelina, momba ny firotsahany hofidiana na tsia.
Tany am-piandohan’ny fanonganam-panjakana, hoy izy dia nihevitra izy ireo fa ho vita mora fotsiny izany ary dia noharatsiana foana i Marc Ravalomanana, nampianarina handroba sy hangalatra ny vahoaka, nampianarina maka tsy miera. Voafandrika i Andry Rajoelina ka atao daholo izao rehetra izao hirotsahana hofidiana. Raha tsiahivina tokoa manko dia efa niteny ny filohan’ny FAT tamin’ireny dinika tany Seychelles ireny fa tsy hirotsaka ny tenany raha tsy hirotsaka ny filoha teo aloha. Rehefa niteny tokoa àry ny filoha Ravalomanana fa tsy hirotsaka dia i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy indray no sahirana. Ary dia mazava, hoy i Zafilahy Stanislas fa ny Troika sy ny SADC tsy hanaiky fa dia ny fampiharana ny sori-dalana, ny fanamboarana ny lalam-pifidianana izay voalaza fa manilika olom-pirenena, ny famoahana ireo gadra politika, ary ny famahana ireo haino aman-jery nogiazana.
Manoloana izany rehetra izany dia herinandro no hiandrasana izay ho fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina, hoy ihany i Zafilahy Stanislas izay nanentana ireo mpiara-dia aminy sy ireo rehetra nifidy an’i Marc Ravalomanana hanambatra ny heriny. Tsy hisy tafavoaka manko eto, raha tsy tonga eto i Marc Ravalomanana. Ankoatra izay dia nambaran’i Henri Randrianjatovo fa tsy hisy fifidianana izany eto raha tsy misy ny filaminana. Isan’andro anefa, hoy ity solombavambahoakan’i Faratsiho taloha ity dia misy foana ny fanafihana mitam-piadiana, mitohy hatrany koa ny famonoana olona any Atsimo. Araka ny fanazavany ihany dia efa miomana ireo parlemantera amin’ny fanokafana ny fanadihadiana ka anisan’izany ny raharaha Sirama, ny ady tany any Nosy-Be. Nasiany resaka ihany koa ny momba ny fahalanian’ny filohan’ny oniversite vaovao, Panja Ramanoelina izay tsy iza fa minisitra tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana. Raha ny fahitan’i Henri Randrianjatovo azy dia hafatra ary fiandohana ihany ireny. Tokony hieritreritra izay marivo salosana eo anatrehan’izany, hoy ihany izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.