Politique

Fifidianana kaominaly na Faritra “Tsy voasoratra ao anaty tondrozotra izany”, hoy i Clément Ravalison


  • Zoma 29 Jolay 2011

Maika ny famahana ny krizy fa efa miantraika amin’ny vahoaka izany

 Ny tombontsoam- pirenena no tokony hojerena fa tsy olana olona, hoy ny Antoko Miombon’Ezaka (AME). Araka izany dia tsy manana olana amin’ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana ny AME, hoy ny filohany Clément Ravalison. Heverin’ìty antoko ity koa fa tokony hotohizan’ny parlemantera, indrindra amin’izao fivoriana tsy ara- potoana izao, ny fandinihana ireo lalàna isan-karazany, anisan’izany ny momba ny famafan-keloka na ny amnistia, ireo lalàna hifehy ny antoko politika sy ny mpanohitra.

Ankoatra izay, manoloana ny resaka mandeha fa fifidianam-paritra sy kaominaly no hatao ato ho ato dia nambaran’i Clément Ravalison fa “tsy voasoratra ao anatin’ny tondrozotra izany”. Rehefa zavatra nosoniavina, hoy ihany izy, dia tokony hotanterahina. Noho izany dia karazan’ny fandrebirebena saim-bahoaka ny filazana fa ireo karazam-pifidianana roa ireo no hatao. Anisan’ny olana eto amin’ny firenena, hoy ihany Clément Ravalison ny hoe ny eo tsy vita kanefa zavatra hafa indray no tadiavina hatao. Eo koa ny tsy fitazonana ny teny nolazaina. Mariky ny tsy fahamatorana, hoy ihany ity filohan’antoko ity ny filazana ampahibemaso fa hanao fifidianana kaominaly kanefa tsy notanterahina izany hatramin’izao. Anisan’ny efa nametraka ny antotan-taratasy tamin’izany fifidianana izany ny AME tamin’ny 2010 ary efa voaloa ihany koa ny vola kanefa mandrak’androany dia tsy tanteraka ilay fifidianana ary tsy mbola naverin’ny fanjakana taminy ny vola naloan’ireo kandida tamin’izany.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT