Hifarana anio rehefa naharitra roa andro ny fivoriana manokana tanterahin’ny CENI-T sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena etsy amin’ny CCI Ivato.
Betsaka no mametra-panontaniana ny amin’ny antony marina mbola anaovana ity fivoriana manokana ity raha tsy hoe handinika ny fanemorana ny datim-pifidianana angaha. Efa nandaniana fotoana lava ary nanaovana fivoriana manokana in-droa miantoana tamin’ny jolay sy aogositra 2012 mantsy ny amin’izay fifidianana hatao sy ny fotoana hanatanterahana izany, ka namoahan’ny CENI-T rehefa avy nikaon-doha niaraka tamin’ireo manampahaizan’ny Firenena Mikambana ilay tetiandro mamaritra fa amin’ny 08 mey 2013 no hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary amin’ny 03 jolay 2013, raha tsy hoe «1er tour dia vita», no hatao ny fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka.
Eo anatrehan’ny olana marolafy sedrain’ny CENI-T teo am-panatanterahana ny asany anefa, toy ny fahataran’ny vola kirakira tokony hampiasainy dia mihisatra ny fanatanterahana ny raharaha. Miaiky izany rahateo ny PNUD, eny fa na ny SADC milaza fa hanome 10 tapitrisa dolara aza tsy mbola nandrotsaka na viviny akory. Nanampy trotraka koa ny fitarazohan’ny fametrahana ireo rantsamangaikan’ny CENI-T miampy ny fahataran’ny fahazoana fitaovana hiasana … toy ny kara-pifidianana, izay raha ny vaovao farany re dia sahirana ny Imprimerie Nationale hanao azy. Vokany, tsy tomombana araka ny nieritreretana azy ny fanisana ny mpifidy ary dia miantraika any amin’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana izany. Ireo vahiny mpamatsy vola sasany koa anefa misy milaza izao fa tsy handrotsaka vola intsony aloha raha tsy vita indray ny amnistia. Fehiny, misedra olona teknika sy ara-bola ny CENI-T ankehitriny, olana izay mitarika mankany amin’ny fanemorana ny datim-pifidianana.
Mandeha ary ny tombantombana ankehitriny fa mety ho amin’ny volana jolay 2013 any ny fifidianana voalohany no hatao. Na izany aza dia hohajaina ny filahatry ny fifidianana efa tapaka sy nampahafantarina ny Malagasy hatramin’ny volana aogositra 2012 fa tsy misy antony tokony hampifamadihana izany, ka hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena araka ny fikasan’i Andry Rajoelina tampoka teo rehefa raikitra ny «Ni…Ni». Na i Leonardo Simao, iraky ny SADC, izay vao avy namita iraka teto Madagasikara ny herinandro lasa teo aza dia nanamafy fa tsy maintsy tazomina ny filahatry ny fifidianana efa tapaka raha tian’ny CENI-T ny hitokisan’ny vahoaka sy ny mpanao politika malagasy ary fianakaviambe iraisam-pirenena azy. Fanodinkodinan-dresaka avokoa, araka izany, ny ankoatra izay.
Tsy misy antony tokony hanaovana fivoriana manokana raha tsy hoe hanapaka ny fanemorana ny datim-pifidianana ihany noho ny olana ara-teknika sy ara-bola, ka mitady fe-potoana malalaka ahafahana manarina izany fa tsy hoe hivory ka hanapa-kevitra hamadika ny filahatry ny fifidianana hatao. Ny fanaovana izany dia fanapahan-kevitra politika tanteraka.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.