Politique

Fifidianana Hampiasa ny «Oracle 11G» ny CENI


  • Alakamisy 27 Oktobra 2016

Nahitana olana hatrany ny resaka lisi-pifidianana teo amin’ny tantaran’i Madagasikara.

 Zava-mitranga matetika, ohatra, ny tsy fahitana ny anaran’ny olom-pirenena ao amin’ny lisitry ny mpifidy. Efa miomana amin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana moa ankehitriny ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) tohanan’ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement). Dingana misy ny tetikasan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana amin’izao fotoana izao ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknikan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana ireo mpiasa hahay hifehy ireo karazana taratasy rehetra momba ny fifidianana amin’ny alalan’ilay fitaovana hiaka farany «Oracle 11G». Nisantatra ny atrikasa nanomboka omaly teny amin’ny Ibis Ankorondrano haharitra hateloana ireo lehiben’ny ivontoerana informatika miandraikitra ny faritra sy distrika eo anivon’ny faritanin’Antananarivo. Hisitraka izany ihany koa ireo teknisianina avy amin’ireo faritany 5 hafa hatramin’ny volana novambra 2016. Tanjon’ny fampiofanana ireo teknisianina 200 mahery miaraka amin’ny fampitaovana solosaina ny foiben’ny CENI ny hisian’ny fifampitokisana eo amin’ireo mpisehatra politika sy ireo olom-pirenena mpifidy.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT