Politique

Fifidianana Fitaka bevava


  • Talata 26 Jolay 2011

Manomana sangodim-panina politika amin’ny alalan’ny fifidianana indray ny FAT.

 Araka ny fampiantsoana nataon’ny Governemanta dia miatrika fivoriana tsy ara-potoana andinihana ireo volavolan-dalàna momba ny fifidianana Ben’ny tanàna sy lehiben’ny faritra ny parlemantera roa tonta nanomboka omaly. Mazava izany fa ireo fifidianana ireo no haroso mialoha ary rariny tokoa izany amin’ny lafiny iray satria tapitra amin’ny volana desambra izao ny fotoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna am-perinasa izay hany olomboafidy eto amin’ny Madagasikara ankehitriny. Nanamafy rahateo ny minisitry ny fizahantany Riana Andriamandavy VII tany Mananjary nandritra ny iraka fanaraha-maso ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ataony fa hampiarahana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny Faritra.

Raha ny fanazavany tamin’ireo mpikarakara ny fifidianana eo anivon’ny CENI tany an-toerana dia efa misy ny anarana sy ny sarin’ny lehiben’ny Faritra tohanan’ny kandida Ben’ny tanàna tsirairay avy ny bileta ka raha lany ilay Ben’ny tanàna dia mandray ny toerany avy hatrany koa ilay mpifaninana ho lehiben’ny Faritra tohanany. Atao tian-kano tsy tian-kano izany ny raharaham-pifidianana amin’ity indray mitoraka ity satria tsy afaka maneho ny safidiny malalaka ny vahoaka amin’izay olona tiany hitondra ny Kaominina misy azy sy ny mpitondra ny Faritra maharesy lahatra azy. Tsy afa-bela koa anefa ireo mikasa hirotsaka Ben’ny tanàna satria tsy maintsy manana olona tohanana ho lehiben’ny Faritra koa izy ireo vao ekena ny firotsahan-kofidiany. Iray volana lasa izay no nikasa hametraka lamina tahaka izao koa ny filoha senegaley Abdoulaye Wade saingy fidinana an-dalambe nisiana famoizana aina maro no nasetrin’ny vahoaka izany ka voatery najanona. «Ticket présidentiel» no niantsoan’i Wade io tetikasany io, izany hoe bileta tokana ihany no ampiasan’ny kandida ho filoham-pirenena sy izay hataony ho lefiny ka miara-mandray toerana avy hatrany amin’izay kandida lany filoha ilay lefiny.

Andrasana kosa izay hevitry ny vahoaka malagasy, ny mpanao politika sy ireo manampikasana hirotsaka rehetra manoloana ity fitaka bevava kononkononin’ny FAT ity. Midika ho fanitsakitsahana tsotra izao ny sori-dalana nataon’ireo vondrona politika rangopohy teny Ivato izay ambara fa hosoniavina amin’ny fiandohan’ny volana aogositra izao koa ity tetikasan’ny FAT satria mazava ny votoatin’iny sori-dalana iny fa fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka no hotontosaina amin’ity taona ity. Vao nanamafy izany koa i Roland Ratsiraka ny sabotsy 23 jolay teo. Asa raha noho ny tahotra ireo mpanao politika nanao rangopohy iny sori-dalan’ny Dr Simao teny Ivato iny na noho ny antony hafa fa mifanipaka tanteraka amin’ny tenin’ny minisitry ny fizahatany tany Mananjary ny fanambaran’ny praiminisitra omaly. Nilaza mantsy ny jeneraly Camille Vital fa tsy midika ho fanatontosana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy lehiben’ny Faritra ny fampiantsoana fivoriana andinihana ny volavolan-dalàna momba ireo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT