Nampahatsiahy tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny biraony etsy Nanisana ny avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) omaly fa nampita ny tatitry ny asa
vitany tany amin’ny praiminisitra ny vaomiera fakan-kevitra sy fandinihana ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara ny 29 jona teo. Io omaly io ihany koa no nampahafantaran’ity vaomiera ity ny tolo-keviny ho any amin’ny fitsarana hahafahana manatontosa ao anatin’ny fangaraharana ny fifidianana ho avy. Anisan’ny notakiana ny fametrahana farany aloha ny mpikambana tsy maharitr’ireo kandidà hanara-maso ny fifidianana, ny fanomezana fahalalahana sy fahafahana ny CENI hanao ny asany, ny fahaleovantena ara-bola ary ny tsy fiandanian’ny fitondrana amina kandida miampy ny famerana sy fampitoviana ireo vola lanian’ny rehetra amin’ny fampielezankevitra. Nilaza ihany koa ny filohan’ny CENI Hery Rakotoarimanana fa tsy tokony hisy ny fanilikilihana na fanavahana fa avela hirotsaka avokoa ny kandida rehetra. Ao anatin’ny fanajana ny lalàna velona eto amin’ny firenena sy ny lalàna mifehy ny fifidianana izany. Ankoatr’izay dia tsara kokoa raha manana solotena ao amin’ny CENI ny kandida tsirairay avy, raisina ho mpikambana tsy maharitra izy ireo.Mbola bileta tokana moa no hampiasaina amin’ireo fifidianana ho avy ary hamafisina ny fanentanana amin’ny fampiasana azy mba tsy hanahirana ny mpifidy.Takian’ny CENI ihany koa ny hanitarana ny fahefany hatrany amin’ny famoahana ny datim-pifidianana sy ny fiantsoana ny mpifidy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.