Politique

Fifidianana filoham-pirenena Maro ireo maniry ny hilatsaka


  • Alarobia 19 Mey 2010

Taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy nataon’i Andry Rajoelina fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny tenany dia mandeha ny resaka ankehitriny fa misy amin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy no manana eritreritra ny hifaninana amin’izany fifidianana izany.

Maromaro ihany izy ireo fa ny anisan’ny voatonontonona matetika dia i Haja Resampa, izay sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT). Anisan’ireo miasa mangina fa tsy dia miseho vahoaka firy izy ity, ary anisan’ireo atokisan’ny filohan’ny FAT. Voasokajy ho anisan’ireo mety hifaninana amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika ihany koa i Hajo Andrianainarivelo, misahana ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana amin’izao fotoana ; mpiara-mitolona tamin’i Andry Rajoelina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ary voalaza fa manana ny heriny tsy azo odian-tsy hita eo anivon’ny governemanta sy ny fitondrana tetezamita amin’ny ankapobeny. Izy dia anisan’ireo minisitra voalaza fa sarotra esorina sy ailika ary tafajanona amin’ny toerany foana. Efa tsikaritra ho nitsidika faritra maromaro ihany koa izy, saingy tsy nanangana fikambanana na antoko aloha hatreto. Marihana tsara anefa fa tsy mbola nisy nanambara ny filatsahany ireo olona voalaza ireo, fa tombantomban’ny mpanara-baovao izany rehetra izany. Ny praiminisitra Camille Vital moa dia efa nilaza fa tsy maintsy mametra-pialana izay tompon’andraikitra eo anivon’ny tetezamita izay manana eritreritra ny handray anjara amin’ny fifidianana, tahaka ny nataon’i Andry Rajoelina.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT