Nifarana omaly teny amin’ny Carlton ny atrikasa fanangonan-kevitra ho fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara nokarakarain’ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) ary novatsian’ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement) vola
. Voaray avokoa ireo hetahetan’ny besinimaro, hoy ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana Rakotomalala Hery. Handravona sy hampahafantatra izany ity farany mialoha ny hanolorana azy io eo anatrehan’ny governemanta. Tsy ilaina manavakavaka kosa izay lalàna momba ny fampihavanam-pirenena holaniana sy hanankery eto Madagasikara, hoy ny Vondrona eoropeanina. Dingana ahatongavana amin’izany ny fanohanana ny CENI eo amin’ny fanavaozana ny sehatry ny lalàna, ny fanatsarana ny lisi-pifidianana ary ny fanomezam-baovao matotra mikasika ny tononandrom-pifidianana. Zava-dehibe ho an’ity fikambanan’ireo firenena eoropeanina 27 rahateo ny fizotran’ireo fifidianana filohan’ny Repoblika sy solombavambahoaka ao anatin’ny fandraisana anjaran’ny rehetra, maharesy lahatra sy mangarahara ary manaja tanteraka ny lalànan’ny demokrasia, araka ny hafatra nentin’ny tale jeneralin’ny Vondrona eoropeanina eto Afrika nandritra ny fandalovany teto amintsika farany teo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.