Mahasarika mpitondra fivavahana Malagasy ny fitantanana firenena. Tsy vitsy ireo pasitera efa mpitondra ambony toy ny pasitera Andriamanjato Richard, ny pasitera Ramino Paul ary efa nilatsaka fidiana filoham-pirenena koa aza ry pasitera Rajakoba Daniel.
Miavaka kosa anefa ny amin’ny fifidianana manaraka ity satria misy telo be izao sahady ireo mpitondra fivavahana milaza handray anjara. Ankoatra an’ny pasitera Mailhol sy ny Kohen Rivo Lala dia handray anjara koa Rakotoaritsifa Hasina. Atolotry ny antoko Malagasy Miray sy Mifankatia na MAMIMI ny tenany. Marihina fa fikambanana ivondronan’ny kristianina avy amin’ny fiangonana zokiny sy zandriny ny MAMIMI izay nifototra tamin’ny fiantsoana ny Malagasy hihavana amin’Andriamanitra tany ampiandohany, roa taona sy tany izay, izao lasa nivadika ho antoko politika izao ka manolotra kandida. Ny programa Josefa no anaran’ny vinam-piarahamonina hampihariny raha lany soa aman-tsara izy.
Nambaran’ny pastera Rakotoaritsifa Hasina fa averina dinihana indray miaraka amin’ireo orinasa vahiny ireo fifanaraham-piaraha-miasa tsy ahitan’ny firenena tombontsoa loatra raha izy no voafidy satria “ampy izay ny fanambakana sy ny saritsarim-pahaleovantena”. Amin’ny maha kristianina azy dia milaza ho tena miaina ny fitiavana, ny fibebahana ary ny famelan-keloka Rakotoaritsifa Hasina amin’ny alalan’ny fampitsaharana ny fifanenjehana sy ny fandiovana ny tontolo politika. Mikasa hamory ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena rehetra ny tenany handinihana miaraka ny fanomanana fifidianana madio. Misokatra amin’ny teknisianina, avara-pianarana sy tsara sitrapo rehetra vonona hiarahaka hiasa hampandroso ny firenena ny MAMIMI, hoy izy. Ity antoko ity izay voalaza fa efa manenika ny Distrika miisa 119 eto Madagasikara.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.