Hatreo aloha dia i Marc Ravalomanana no efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy ary efa namerimberina ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filohampirenena amin’ny 2018, tsy olana aminy koa na aroso aza ny daty, hoy izy.
Filoha kandida
Tsy mbola niteny mazava ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina saingy tsapa amin’ny zavatra ataony sy ny fihetsiny ary ny seraserany fa kandida izy ary efa nanomboka propagandy mihitsy aza, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra mitety faritra natomboka tany Toamasina herinandro lasa izay sy ilay tetikasa fandraisana mpampianatra 10 000 nanaovana lanonana goavam-be tany Toamasina sy teto Antananarivo ary mbola hitohy amina faritra hafa.Tsy takon’afenina fa matanjaka satria manana ny fahefam-panjakana ny filoha am-perinasa, fantatra tsara ihany koa fa tsy olana aminy ny resaka ara-bola ary ny antokony (HVM) dia efa tena manana tanjona ny hampandresena azy mazava amin’ny 2018 ; manana ny haino aman-jery sy gazety manohana azy ihany koa izy.Hita ihany koa fa miezaka miasa mafy eo amin’ny resaka fahasalamana sy fitsaboana ny fitondrana Rajaonarimampianina ankehitriny.
Manakaiky vahoaka
Efa miketrika koa anefa etsy ankilan’izay i Marc Ravalomanana, efa ananany ny fandaharanasa dia ny MAP izany, tsy olana aminy ny resaka famatsiam-bola, matanjaka ny antoko Tiako i Madagasikara tarihany ary mahenika an’i Madagasikara, tombony ho azy koa ny fananany ny orinasa Tiko ary mbola tena matanjaka i Dadavalo raha ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena no resahana.Hatreto aloha dia hita fa hain’i Marc Ravalomanana tsara ihany koa ny mampiasa ny resaka serasera sy fifampikasohana mivantana amin’ny Malagasy manerana ny nosy ; ary tsy vitan’ny hoe mihaino ny hetahetan’ny olona izy fa mandroso vahaolana , manoro hevitra ary miasa avy hatrany amin’izay mety ho vitany.Ny any amoron-tsiraka no hita fa tena matetika tsidihan’i Marc Ravalomanana hatramin’ny 2014 niverenany teto Madagasikara.Ankoatr’izay dia manana ekipa manampahaizana no sady teknisianina amin’ny sehatra rehetra izy ary efa ampy traikefa tsara satria filoham-pirenena nandritra ny 7 taona ka nahita ny tsy ampy sy izay tokony ahitsy amin’ny fomba fiasa.
Manomboka ratsy endrika eo imason’ny maro ny fitondrana HVM noho ireo fanaparam-pahefana, fandikan-dalàna, resaka kolikoly sy afera maizina maro samihafa ka io no mety ho kileman’i Hery Rajaonarimampianina.Mety ho voafingana amin’ny resaka raharaham-pitsarana ka ho tratry ny « ni..ni » miaraka amina kandida hafa koa anefa i Marc Ravalomanana tahaka ny efa nitranga tamin’ny 2013.Tena hafotaka ary hafana ny raharaha manodidina ity fifidianana filoham-pirenena afaka 2 taona ity noho izany ary io no hamaritra indray ny ho avin’i Madagasikara :hilamina sy handroso amin’izay ve sa mbola hiverina anaty krizy lavareny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.