Politique

Fifidianana eto Madagasikara Laharana voalohany amin’ny kolikoly


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Miisa 11 ireo sehatra anjakan’ny kolikoly eto Madagasikara, araka ny angon-kevitra nataon’ny firaisamonim-pirenena manerana ny nosy.

 

 Voakasik’io fomba mamohehatra io ny fampiasam-bolam-bahoaka, ny fahasalamana, ny fitsarana, ny fananantany, ny fanabeazana, ny fanatanjahantena, ny filaminana, ny harem-pirenena, ny fitaterana, ny asam-panjakana ary ny fifidianana. Lohaharana eo amin’ny fisiana kolikoly kosa ny tontolon’ny fifidianana eto amintsika, hoy ny hetsika Rohy (Rindran’ny Olompirenena Hiarovana ny Iaraha-manana). Ny antony dia satria tsy mangarahara ny famatsiambolan’ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy mazava ihany koa ny tetibola fanaovana fampielezan-kevitra hoan’ireo antoko politika, hoy ny fiombonamben’ny firaisamonim-pirenena. Voasokajy ho tsy fanta-piaviana mba tsy ilazana fa miainga avy amin’ny famotsiambola rahateo matetika ny tetibola goavana ampiasain’ireo kandida mpifaninana amin’ny fifidianana. Efa mandrafitra paikady iadiana amin’ny kolikoly hiatrehana ny fifidianana amin’ny 2018 moa ireo fikambanana sy rafitra samihafa. Mikarakara adihevitra fanabeazana arahina fanentanana, ohatra, ny TIIM (Transparency International Initiative Madagascar). Misahana ny famolavolana ny volavolan-dalàna mikasika ny famatsiambolan’ireo antoko politika kosa ny CSI (Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité).

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT