Politique

Fifidianana depiote amin’ny aprily 2011 Ao tsara amin’ny hafa, fa tsy mety amin’ny sasany


  • Alakamisy 12 Aogositra 2010

Mety amin’ireo izay manam-paniriana ny hilatsaka hofidiana filoham-pirenena kanefa voaheloky ny fitsarana ny hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena.

Raha ny soso-kevitra voalohany niainga tokoa mantsy dia ny 13 aprily 2011 no hanatanterahana ny fifidianana depiote raha toa ka ny 1 jona no hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena. Manana iray volana sy tapany izany ireo olom-boafidy handinihana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, sy ny ho endriky ny fampiharana azy. Tahaka ny hoe famotsoran-keloka faobe ve no atao, sa famotsoran-keloka misy sivana ? Iza avy no hahazo izany ary tamin’ny vanim-potoana inona ? Raha toa mantsy ka voadiniky ny solombavambahoaka, ary eken’izy ireo ilay volavolan-dalàna, dia midika izany fa afaka milatsaka hofidiana filohan’ny Repoblika ireo voaheloky ny fitsarana, toa an’i Marc Ravalomanana sy Pierrot Rajaonarivelo. Tsy mety amin’ireo izay hilatsaka hofidiana solombavambahoaka maloto taratasy kosa anefa izany satria tonga dia tsy afaka ny hilatsaka hofidiana izy ireo raha iandrasana ny Parlemanta vaovao ny fandinihana ny famotsoran-keloka.

Maromaro ihany anefa no hita fa mety manana eritreritra hofidiana solombavambahoaka amin’ireo gadra politika tafavoaka, toa an-dry Voninahitsy Eugène, Pety Rakotoniaina, ny Jeneraly Fidy… Izany rehetra izany no mahatonga ny ankamaroan’ireo mpanao politika mitaky ny hametrahana ny «amnistie» amin’ny alalan’ny fifanarahana politika, ifaneken’ireo antoko politika. Amin’izy ireo dia tsy resaka fanavotana ny heloky ny mpanao politika izany, fa dingana tsy maintsy handalovana amin’ny famahana ny krizy, mialoha ny fampihavanam-pirenena. Etsy ankilan’izay kosa anefa dia tokony hapetraka manomboka izao, araka ny resaka nifanaovana tamina mpanao politika iray, ny sata mifehy ny antoko politika sy ny mpanao politika eto Madagasikara, fa tsy sanatria dia hofafana amin’ny famotsoran-keloka foana ny tsy mety ataon’izy ireny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT