Hatramin’ny andron’ny omaly tolakandro tamin’ny 4 ora sy 15 minitra dia tsy mbola nisy kandida ben’ny tanŕna ho an’ny kaominin’Antananarivo renivohitra nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny amin’ny foiben’ny CENI eny Alarobia, araka ny tafa nifanaovana tamin’Atoa Hery Rakotomanana filohan’ity vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidinana ity.
Ny talata 2 novambra lasa teo moa no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fe-potoana hahafahana mametraka izany dosie izany ary hifarana kosa ny talata 16 martsa. Tsy mbola nahazoana vaovao sy tatitra ofisialy kosa ny avy any amin’ireo faritra hafa araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI ihany. Mbola mistery sy ankamantatra tanteraka izany amin’izao fotoana ny mombamomba ireo izay mety hifaninana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 20 desambra ho avy izao ho an’Antananarivo renivohitra, izay manana ny mampiavaka azy noho izy renivohitr’i Madagasikara ary kaominina ahitana mponina maro indrindra no sady manana sata manokana tsy itoviany amin’ireo kaominina ambonivohitra hafa.
Mbola mijanona ho siosion-dresaka fotsiny aloha hatramin’izao ireo anarana mpandraharaha sy mpanao politika ary filohana fikambanana voalaza fa mety ho kandida eto Antananarivo, anisan’ny voatonontonona ao anatin’izany ohatra ny PDS amin’izao fotoana Edgar Razafindravahy, eo ihany koa i Hery Rafalimanana kandida natolotry ny TIM tamin’ny 2007 ary tsy nahatohitra an’i Andry Rajoelina, mbola mety ho anisan’ireo kadida ihany koa i Ny Hasina Andriamanjato, izay efa nifaninana tamin’i Marc Ravalomanana tamin’io toerana io tamin’ny 1999, ary Atoa Marc Ramiarinjatovo ben’ny tanànan’Alasora teo aloha sady filoha tale jeneralin’ny ESCAME. Araka ny nambara tetsy ambony anefa dia mbola siosion-dresaka ihany izany ary tsy mbola nisy hatramin’ny omaly 3 novambra nanatitra ny dosie filatsahan-kofidiany teny Alarobia.
Efa fomba fiady politika ihany koa moa ny miandry farany vao manambara ny filatsahan-kofidiana sy manatitra ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany. Azo eritreretina koa anefa fa mbola mandinika tsara ny fizotry ny toe-draharaham-pirenena ireo mety ho kandida fa tsy miroboka avy hatrany, satria tsy fantatra mihitsy izay havoaky ny ampitso, na ho raikitra ihany na tsia ny amin’ny 20 desambra, satria na ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra aza mampiahiahy be ihany ny hahatanterahany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.