Politique

Fifidianana Ben’ny tanŕna Tsy hametra-pialana ny eto Analamanga


  • Alakamisy 23 Septambra 2010

Milaza ho vonona handray anjara amin’ny fifidianana Ben’ny tanŕna, izay karakarain’ny FAT ny 20 desambra izao ireo Ben’ny tanŕna ato amin’ny faritra Analamanga. Vonona ny hiatrika ny vahoaka izahay hoy izy ireo saingy misy fitsipi-dalao mazava kosa.

Isan’izany ny fangatahany fametrahana volavolan-dalam-pifidianana mazava tsara. Tafiditra ao anatin’izany ny hamerenana ny lalam-pifidianana tamin’ny taona 2007 laharana faha-878 izay mahakasika indrindra ny «disponibilité». Tsy eken’izy ireo ny fametraham-pialana mialohan’ny fotoana ho an’ireo Ben’ny tanana am-perinasa mikasa ny hilatsaka. Iray andro mialohan’ny fampielezan-kevitra no angatahin’izy ireo hanaovana izany izay mbola tafiditra ao anatin’ireo fepetra takiany ihany. Tokony hazava ao anatin’ilay lalam-pifidianana io, hoy i Ralaiseheno Guy Maxime, filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Analamanga (AMRA) raha namintina ny fivoriana niarahan’izy ireo. Fepetra faharoa takian’izy ireo koa ny fandraisany asa aorian’ny fifidianana mandra-pahavita ny fifamindram-pahefana amin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpisolo azy. Ben’ny tanana miisa 31 tamin’ireo 46 isa tonga niatrika izany no nandany ity fanapahan-kevitra ity.

Na izany aza anefa nisy ihany ireo nanana ny heviny manokana. Anisan’izany ny Ben’ny tananan’ny Kaominina ambanivohitra Ambohidratrimo, Rajaonasolo Clovis Arthur. Nambaran’ity farany fa tsy anisan’ireo olom-boafidy mpanohitra fitondram-panjakana ny tenany. Ekena tanteraka noho izany ny hisian’ny fametraham-pialana ho an’ny Ben’ny tanàna rehetra, iray volana mialohan’ny fifidianana. Takiany kosa anefa ny hanaovana ny fifidianana amin’ny datin’ny 20 desambra na inona na inona zava-mitranga eto amin’ny firenena. Farany izay tsy kely akory dia ny fangatahany mba hatao ara-dalàna ny fametrahana PDS, raha tsy maintsy hirosoana, mba tsy harahin-dromoromo toy ny nitranga tany Manakara. Hevitra fahatelo nipoitra moa ny nambaran’ny Ben’ny tananan’Anosizato Andrefana izay sady tsy nomba ny tatsy no tsy nomba ny aroa. Aminy dia tsy tokony hokitikitihina ny Ben’ny tanana fa avela handany ny fe-potoam-piasany efa-taona araka izay nametrahan’ny lalàna azy.

Yves / Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT