Politique

Fifidianana Ben’ny tanŕna Milamin-tsaina Rtoa Ramalason Olga


  • Alakamisy 18 Novambra 2010

Mafampana ny rivotra politika iainana ao amin’ny tanŕnan’Antsirabe satria dia manahy mafy ny filatsahan-dRamatoa Olga Ramalason, izay Ben’ny Tanŕna ankehitriny ireo mpihazakazaka hirotsaka hofidiana ho Ben’ny tanŕna amin’ny 20 desambra ho avy izao satria dia ho vato misakana ho azy ireo ny firotsahan’ity farany.

Ary somary nampahazo aina kely an-dry zareo mpifaninana mihitsy aza ny fanambarana nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana farany teo iny ny amin’ny tsy handraisan’ny antoko Tiako I Madagasikara anjara amin’ny fifidianana izay karakarain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, tarihin’i Andry Rajoelina. Nisy gazety mpivoaka isan’andro aza moa sahy namoaka tsotra izao fa tsy hilatsaka hofidiana Ramatoa Ramalason Olga na tsy nisy fanambarana ofisialy nataon’ny tenany aza. Koa mampanontany tena ihany hoe avy aiza ary iza no naahazoana izany vaovao izany ary tombontsoa ho an’iza ? Raha ny sata mifehy ny antoko Tiako I Madagasikara tokoa mantsy dia tsy misy fandraisana anjara atao amin’ireo karazam-pifidianana karakarain’ny FAT ary mbola hamafisina fa tsy hisy mihitsy izany. Na dia izany aza anefa dia natao ihany ny fanadihadiana ny amin’ny hevitry ny mponina avy ao Antsirabe mahakasika an-dRamatoa Ramalason Olga koa dia mbola maro ireo mangataka ny tenany hitondra ny tanàna noho ny asa vitany ary ity renim-pianakaviana iray sendra anay ity aza moa dia sahy nilaza tsotra izao fa “Ny Tanànan’Antsirabe ilaozan-dRamatoa Ramalason Olga dia tanàna natao hopotehina, tsy misy olona nahavita izay vitany hatramin’izao ary hatreto aloha dia tsy mbola misy olona afaka hifaninana aminy raha tamin’ny fitantanana ity tanàna ity. Koa miangavy an-tanan-droa anao Ramatoa Ben’ny Tanàna, aza hariana ny vahoaka fa ianao no reny nahavita be teto amin’ity Antsirabe ity. Na ireo lehilahy miseho ho matanjaka aza tsy mbola nisy nahavita ny vitanao.” Dia hiarahantsika mahita eo izay mety ho tohin’ny tantara ao amin’io tanànan’ny ranomafana io.

Nangonin’i Jean D.
Sary : Ramalason Olga, Ben’ny tanàna am-perinasa ao Antsirabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT