Nanao valin-kafatra momba ireo tatitra an-gazety sy resabe amin’ny haino aman-jery nitobaka nandritra sy taorian’ny fihaonambem-pirenena nasain’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) nokarakain’ny Raiamandreny Mijoro ny vondron’ny Parlemantera.
Tsy nivilivily ny tenin’ireto Parlemantera ireto, tamin’ny alalan’ny Dr Jules Andriamaholison, fa vao maika handetika ny firenena any amin’ny kizo ary hampitombo ny fahantram-bahoaka iny fihaonambem-pirenena iny, ka “toy ny tsy misy aminay ary tsy manan-kery ihany koa izay fanapahan-kevitra noraisina tany”. Nivoitra izany nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natoan’izy ireo tao amin’ny hotely Fanantenana Ampandrana ny talata 21 septambra misandratr’andro. Ny amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, izay nambaran’i Andry Rajoelina, fa hatao ny 20 desambra 2010 dia hentitra ny filazan’ireto Parlemantera ireto fa “fitaka bevava no ao ambadik’iny resaka iny”. Araka ny fanazavan’ny Dr Raharisaina Hery, depioten’i Vohémar, dia tetika ankolaka ataon’ny FAT hametrahana PDS maharitra eny anivon’ny Kaominina io.
Tsinjon’ny FAT, hoy izy, fa ho sarotra aminy ny hanongotra manta amin’ny toerany ireo Ben’ny tanàna miisa 1500 mahery manerana ny Nosy, izay avy lisitra Tiako I Madagasikara ny maro amin’izy ireo, satria hampitroaka ny vahoaka izany. Koa nampiasa tetika ny FAT, dia nandraviravy io fifidianana amin’ny 20 desambra io, na tsy nifanarahan’izy ireo teny Ivato aza izany. Ampirisihina hilatsaka izay Ben’ny tanàna mbola mazoto, ary mety “hampiana” koa aza angamba, saingy atosika tsimoramora hametra-pialana roa volana mialohan’ny fifidianana ; izany hoe : miala alohan’ny 20 oktobra 2010 raha hirotsaka ho kandida. Efa anatin’ny fotoam-pahafavatra sady vanimpotoanan’ny rivodoza anefa io datin’ny 20 desambra nofaritana io, i Madagasikara rahateo Nosy, ary isan-taona dia tsy afa-bela amin’ny loza voajanahary. Tondra-drano indray maka fotsiny dia ampy hanafoanana indray io fifidianana io. Ilay Ben’ny tanàna anefa efa nametra-pialana, ny PDS efa mandray toerany. Koa dia tanteraka ny fanirian’ireo mpizaika teny Ivato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.