Politique

Fifidianana Aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka vao ho fantatra ny fandaharam-potoana


  • Alakamisy 20 Mey 2010

Hisolo toerana ny CENI ny CENA na vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ao anatin’ny fifanarahan’i Pretoria.

Hanana tetibola manokana izy ity ary manam-pahefana tanteraka amin’ny fikarakarana sy fiomanana ary fanatanterahana ny fifidianana. Afaka manadihady raha misy tranga ahiahiana ny CENA, afaka manome soso-kevitra ary afaka manasazy izay tratra fa nadika ny lalàna mifehy ny fifidianana. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny asa sy andraikitr’ity vaomiera ity ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana vaovao, ny famerana ny tetiandro hanaovana ireo fifidianana rehetra, ny safidy amin’ny bileta ampiasaina, ny fanaraha-maso ny fanisam-bato, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana. Hisy ireo manampahaizana vahiny hanampy ny CENA eo amin’ny lafiny ara-teknika tahaka ny fametrahana «fichier» manokana momba ny fifidianana amin’ny solosaina, ny fomba fampiasana sy fandaniana ny vola ary ny fandrindrana ireo fitaovana sy ny masoivohon’ny CENA rehetra any amin’ny faritra. Avy ao amin’ny vondron’ny mpanelanelana, ny firenena mikambana, ny vondrona Afrikanina, ny SADC ary ny OIF moa hitsongana ireo mpanolotsaina vahiny ireo, araka ny voalazan’ny fifanarahana ihany.

Mikasika ireo mpikambana eo anivon’ny CENA kosa indray dia voalaza fa olona manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ary mahafeno ny fepetra rehetra takiana amin’ny fitantanana izany vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana izany, no hotendrena ary tsy maintsy ifanarahan’ireo ankolafy efatra. Raha misy olana na fifandroritana amin’ny fanendrena ny filoha hitarika ny CENA izay safidiana avy amin’ireo mpikambana ihany, dia miditra an-tsehatra indray ny panelanelana hitady ny vahaolana. Raha fintinina izay rehetra izay dia ny fitsapan-kevi-bahoaka aloha no fifidianana hokarakaraina aorian’ny fitsanganan’ny tetezamita iaraha-mitantana ka arakaraka ny endriky ny repoblika sy ny fitondrana lanim-bahoaka eo no handrafetan’ny CENA ny tetiandro ho an’ny fifidianana manaraka. Raha ny «Régime présidentiel» ohatra no lany, dia ny fifidianana filoham-pirenena no atao mialoha ; raha toa moa ka ny «Régime parlementaire» no nofidian’ny malagasy, dia ny fifidianana solombavambahoaka indray no mety halefa mialoha. Miankina amin’izay volavolan-dalàmpanorenana hivoaka aorian’ny fikaonan-doham-pirenena sy ny fakan-kevitra ataon’ny komity manokana koa anefa izany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT