Politique

Fifidianana amin’ny volana mey Hitarika korontana ?


  • Zoma 04 Janoary 2013

Raha nafana fo aok’izany ny rehetra, roa volana lasa izay momba ny tsy maintsy hahatanterahan’ny fifidianana amin’ity taona 2013 ity, dia toa niha nangatsiaka ny fahavononana vantany vao nigadona ny volana janoary.

 Teo mantsy vao hita ny asa be mbola miandry. Eo ohatra ny tsy maintsy hizarana kara-panondrom-pirenena manodidina ny iray tapitrisa be izao. Ny fanoratana ny lisi-pifidianana koa dia tsy mbola vita ny 30%. Manezaka mafy ny CENIT, saingy tsy mbola hita hatramin’izao ny fanabeazana sy fampianarana ny olom-pirenena tonga taona momba ny endri-pifidianana hatrehana, afaka dimy volana. Mbola tsy mazava tsara amin’ny olona anefa ilay hoe : atao aloha ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny 8 mey, avy eo miaraka tanterahana amin’ny fihodinana faharoa indray ny fifidianana depiote.

Efa hita ny olana tamin’ny fampiasana ilay bileta tokana tamin’ny 17 novambra 2010, ary hita fa tena mbola goavana ny asa fanentanana tokony hatao. Ahoana koa moa ny mety ho fipetrak’ireo mpiray tanindrazana any atsimo ? Efa vita araka ny tokony ho izy ve ny fanisana ny mpifidy tany ? Teknika ranoray izay noresahana teo izay, fa mbola zavatra hafa ny lafiny ara-politika sy ara-tsosialy. Misy mihitsy moa ny milaza tahaka an’Atoa Serge Zafimahova avy ao amin’ny Club Dévélopement et Ethique (CDE) fa hiteraka korontana ny fifidianana raha hisisihana tanterahana amin’ny volana mey.

Na misy tsy milatsaka hofidiana na mahazo milatsaka daholo ireo mpanao politika sy lehiben’ankolafy dia azo antoka fa hitarika korontana foana io fifidianana atao maimaika io, hoy izy. Noho ny fahitana ny zava-misy eo amin’ny tontolo politika sy eny anivon’ny fiarahamonina dia maro ny olona mitovy hevitra aminy, ka manomboka mampiaka-peo izao, fa tsy ny fahavitan’ny fifidianana faran’izay haingana tsy akory no hamaha ny krizy, fa ny fifandaminana eo amin’ny samy Malagasy sy ny fifandaminan’ny Malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Fitaovana amin’ny famerenana ny ara-dalàna ny fifidianana, fa tsy tanjona faratampony. Mbola misy ny zavatra marobe tsy maintsy alamina sy arindra mialoha ny hanaovana azy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT