Politique

Fifidianana amin’ny 2018 Hiavaka tanteraka


  • Sabotsy 15 Oktobra 2016

Efa atomotra ny taona 2018 hirosoantsika amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Hangotraka ny fifidianana amin’io ary ho maro ny zavatra hafa kely mety hitranga.


 Maro no efa tsy ho vaovao amin’ny vahoaka ny mety ho firotsahany fa misy kosa ireo olona izay tsy ho ampoizina kanefa isan’ny mety handray anjara amin’ny hazakazaka hiadiana izay hitantana an’I Gasikara. Ireto ary ireo tombanana ho isan’ny mpifaninana amin’izany

Marc Ravalomanana

Izy no kandida voalohany naneho ampahibemaso ny ho firotsahany. Efa nitondra ny firenena ary in-droa voafidy hitantana an’I Madagasikara izy saingy tsy nahavita hatramin’ny farany ny mandà faharoa noho ny savorovoro tamin’ny taona 2009. Mpanolontsaina manokan’ny tanàn’Antananarivo ny tenany sady vadin’ny ben’ny tànana. Amin’ny anaran’ny Ny antoko Tiako I Madagasikara izay nahoriny no hirotsahany. Mpandraharaha ny tenany ka izy no tompon’ny orinasa Tiko sy ny Magro. Manana ny haino ny am-jery MBS Atoa Ravalomanana saingy mbola tratry ny antsojay.

Andry Rajoelina

Efa avy Ben’ny tananan’Antananarivo izy ary niakatra teo amin’ny toeran’ny Filohan’ny tetezamita taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Tombanana ho isan’ny kandida ny tenany na mbola tsy nanambara izany ofisialy aza. Somary nanana olana tamin’ny vondrona iraisam-pirenena ny tenany nandritra ny nitantanany ny firenena. Izy no isan’ny niady fo tamin’ny fampandaniana ny Filoha ankehitriny saingy tratry ny tsipaka ambavafo taorian’izay. Ny vondrona politika Mapar sy ny antoko TGV no manosika azy. Mpandraharaha ny tenany ary manana haino aman-jery.

Hery Rajaonarimampianina

Izy no filoha am-perinasa ankehitriny. Na tsy mbola nanao fanambarana ny hirotsahany aza ny tenany dia efa maro ny manombatombana fa hiezaka hitazona ny toerany izy na dia maro azo no manakiana ity filoham-pirenena ity ankehitriny. Efa avy minisitry ny Vola sy ny tetibola tamin’ny Tetezamita ny tenany no lasa filoham-pirenena.  Ao ambadik’i Hery Rajaonarimampianina ny antoko HVM.

Edgard Razafindravahy

Efa mihetsiketsika i Edgard Razafindravahy sy ny Antoko ADN (Antoka sy Dinan’ny Nosy) tarihiny. Tombanan’ny maro ho efa mampahafantatra tsikelikely ny tenany amin’ny hirotsahany izy ary manao fitsidiham-paritra matetika. Efa nirotsaka tamin’ny anaran’ny Antoko Tanora Gasy Vonona (TGV) ny tenany tamin’ny 2013 saingy toa nahazo lamosina tamin’i Andry Rajoelina rehefa tena nandeha ny fifidianana. Mpandraharaha ihany koa ny tenany ary manana orinasan-tserasera sy gazety maromaro.

Roland Ratsiraka

Minisitra ao anatin’ny Fitondrana ankehitriny. Efa nisedra fifidianana filoham-pirenena in-droa ity filohan’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS) : 2006-2013. Nanakiana mafy an’i Hery Rajaonarimampianina izy nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena 2013 ka nilazany fa “Hery tonta ianao fa tsy hery vaovao amiko”. Rehefa nandeha ny fihodinana faharoa dia niova hevitra ny tenany ka nanohana an’i Hery Rajaonarimampianina ary ho tambin’izany no nampidirana azy ao anaty governemanta na dia tsapa ho tsy dia mifankahazo loatra amin’ny HVM aza.

Hajo Andrianainarivelo

Efa avy praiminisitra lefitra tamin’ny andro tetezamita ary nanangana ny Antoko Malagasy Miara-miainga nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 2013. Laharana faha-3 izy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany ary nahataverina ny anto-bola naloany tamin’izany. Tombanana ho mbola hirotsaka ihany koa ny tenany. Mpandraharaha izy ary tompona haino aman-jery ihany koa.

Kohen Rivolala

Fantatra eo amin’ny fitarihana antokom-pivavahana ny tenany ary vao tsy ela akory izay no nilaza fa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Manana finoana mafy izy fa izy no vahaolana ho an’i Madagasikara. Isan’ny mety ho kandida miavaka izy na tsy manana antoko aza hatreto.

Pasitera Mailhol

Na mbola tsy nanambara ny ho firotsahany aza ny tenany dia misy mihevitra fa mety ho isan’ny kandida ho filoham-pirenena ihany koa na dia milaza aza fa tsy mila fidiana fa hapetraka fotsiny. Manana ny heriny ihany koa ity mpitondra fivavahana ity noho ny fananany olona maro mpanaraka azy amin’izany. Vao ny volana septambra no nanao fihaonambe ny antokom-pivavahana tarihiny ka nilazany ny somary fahadisoam-panantenany amin’ny mpitondra ankehitriny. Manana ny radio Fanambarana ny Fiangonana apokalipsy tarihin’ny pasitera Mailhol.

Nicolas Rabemananjara

Efa mandeha ny resaka fa isan’ny ho kandida ho Filoham-pirenena ihany koa ity mpandraharaha fantatra amin’ny tontolon’ny serasera ity na dia mbola tsy nanambara izany aza. Tsy hita teo amin’ny tontolo politika ary tsy mbola manana antoko saingy maro ny mahatsapa fa efa mihetsiketsika fatratra ny tenany amin’izao fotoana izao ka hanombanan’ny mpanara-baovao azy ho isan’ny kandida.

 

 

Orlando Robimanana

Manam-pahaizana manokana momba ny fitantanam-bola ny tenany. Fantatra tamin’ny naha Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana azy nandritra ny dimy taona i Orlando Robimanana saingy nalan’ny fanjakana teo amin’ny toerany ny taona 2015. Efa mandeha ny resaka fa ho isan’ny kandida izy. Tsy fantatra loatra eo amin’ny tontolo politika izy saingy hita amin’ny fanohanana sy fanampiana hetsika isan-karazany toy ny fanatanjahantena. Tombanana ho efa niomana ela amin’ity fifidianana I Orlando Robimanana.

Nangonin’i Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT